Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kizo Mampivarahontsana

    Tena hadalana goavana ny fanemorana ho amin’ny ora farany eo amin’ny androm-piainana ireo zavatra tokony hatao hanomanana ny fiainana hoavy. Ary mbola hadisoana goavana koa ny fanemorana ny famaliana ny fitakian’Andriamanitra mba hanehoana fahalalahan-tanana amin’ny asany mandra-pahatonga ny fotoana izay tsy maintsy hamindranao ny fitantanana ny fanananao ho amin’ny hafa. Ireo izay nanankinanao ny fananana napetraka taminao dia mety tsy ho afaka hitantana tsara araka ny tokony ho izy izany fananana izany tahaka ny ataonao. Ahoana no ahasahian’ny mpanan-karena miditra kizo goavana tahaka izany? Ireo izay miandry hatramin’ny fahafatesany vao manao ny fitsinjarana ny fananany dia manolotra izany ho amin’ny fahafatesana fa tsy ho an’Andriamanitra. Amin’izany fomba izany, dia betsaka no manao zavatra mifanohitra mivantana amin’ny drafitra nosoritan’Andriamanitra mazava ao amin’ny Teniny. Raha tian’izy ireo ny hanao ny tsara, dia tsy maintsy hararaotiny ny fotoam-bolamena ankehitriny, ka hiasa amin’ny heriny rehetra, tahaka ny hoe matahotra andrao ho verivery fotsiny ny fotoana fanararaotra.TF 359.1

    Ireo izay manao an-tsirambina ny adidy efa nampahafantarina azy, amin’ny tsy fetezana hamaly ny fitakian’Andriamanitra eo amin’izao fiainana izao, sy mampangina ny feon’ny fieritreretany amin’ny fikajikajiana fa hataony ihany ny didim-pananany rehefa ho faty izy, dia tsy handray tenim-pankasitrahana sy fiderana avy amin’ny Tompo, ary tsy handray valisoa koa. Tsy mba nivelona tamin’ny fandavan-tena izy ireo, fa nihazona ela araka izay azony natao tamim-pitiavan-tena ny harenany, ka tsy namotsotra izany raha tsy efa nandondom-baravarana azy ny fahafatesana.TF 360.1

    Ny zavatra izay kasain’ny olona hahemotra amin’ny fotoana manakaiky ny hahafatesany, raha toa ka Kristianina marina izy, dia hataony amin’ny fotoana mbola maha- velon’aina soa aman-tsara azy ao anatin’ny tanjaka sy hery. Hanokana ny tenany sy ny fananany ho an’Andriamanitra izy, ary hahazo fahafaham-po tanteraka amin’ny famitana ny andraikiny, eo am-pivelomana ny maha-mpitantana azy. Amin’ny fitantanany ihany ny fananany dia afaka manatanteraka ny fitakian’Andriamanitra izy ireo fa tsy mamindra ny andraikiny amin’olon-kafa.TF 360.2

    Tokony hitondra ny tenantsika amin’ny maha-mpitantana ny fananan’Andriamnitra antsika mandrakariva isika, ary hihevitra an’Andriamanitra amin’ny maha-Tompon’ny zavatra rehetra fara tampony Azy, izay tsy maintsy hamerenantsika ny fananany rehefa tonga ny fotoana hitakiany izany. Rehefa tonga handray ny fananany mban- janany Izy, dia hahita ireo mpierina fa tsy mba nampitombo ny talenta natolotr’Andriamanitra ho azy izy ireo, fa nizaka ho an’ny tenany ny didim-pitsarana natokana ho an’ny mpanompo tsy mahasoa sady ratsy fanahy.TF 360.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents