Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Haneho Fahalalahan-Tanana Mandritra ny Fahavelomana sa Hametraka Didim-Pananana Mialoha ny Hahafatesana

    Irin’Andriamanitra raha mba tena ho toy ny fatiantoka tokoa no hijerena ny fahafatesan’ny mpanompony, noho ny hery miasa mangina ho amin’ny tsara nananan’izy ireo sy noho ireo fanati-tsitrapo natolotr’izy ireo mba hamenoana ny trano firaketan’Andriamanitra. Ny didim-pananana mialoha ny fahafatesana dia fanoloana mahonena ny fahalalahan-tanana tokony hatao nandritra ny fahavelomana. Tokony hanatanteraka ny didim-pananany isan’andro ny mpanompon’Andriamanitra, amin’ny alalan’ny asa soa sy ny fanatitra feno fahalalahan-tanana ho an’Andriamanitra. Tsy tokony hoeken’izy ireo na oviana na oviana ny hahatonga ny vola atolony an’Andriamanitra ho latsa-danja kokoa raha mitaha amin’izay natokany hampiasainy amin’ny filàn’ny tenany manokana. Amin’ny fanaovan’izy ireo ny didim- pananany isan’andro no hahatsiarovany izay zavatra sy izay namany tena mitana ny toerana lehibe indrindra ao am-pony.TF 361.1

    I Jesôsy no namana akaiky azy ireo indrindra. Tsy niaro ny ainy teo anoloan’izy ireo Izy, fa tonga malahelo noho ny aminy, mba hampanan-karena azy ny alahelony. Mendrika ny fo manontolo, sy ny fananana manontolo ary izay rehetra ananany sy izay rehetra maha-izy azy Izy. Indrisy anefa fa maro amin’ireo izay misora-tena ho Kristianina no manao tsinontsinona ny fitakian’i Jesôsy mandritra ny androm- piainany ary mbola manaraby Azy koa amin’ny fotoana hahafatesany, amin’ny alalan’ny fanolorana rakitra tsotra tsy misy lanjany.TF 361.2

    Aoka ireo izay tafiditra ao anatin’izany sokajy izany hahatsiaro fa izany fandrobana an’Andriamanitra izany dia tsy fihetsika vokatry ny toe-java-mitranga fotsiny, fa tena drafitra efa maty paika, satria asiany sasinteny ny didim- pananana ataony, amin’ny fitenenana hoe: “salama saina tsara aho”. Taorian’ny nandrobany ny asan’Andriamanitra fony fahavelony dia mbola manohy izany fandrobana izany hatrany izy aorian’ny hahafatesany. Ary izany dia tanterahiny sy ekeny tanteraka amin’ny herin’ny sainy rehetra. Didim-pananana toy izany no ianteheran’ny sasany ho toy ny ondam-piarovana azy mandritra ny fahafatesana. Ny didim-pananany dia ampahany amin’ny fiomanany ho amin’ny fahafatesany, ary omaniny mialoha izany mba tsy hanakorontana azy intsony ny hareny rehefa midona ny andro hahafatesany. Moa ve ho tafandry mandry izy ireo manoloana ny fitakiana hatao aminy fa tsy maintsy hampamoahina ny amin’ny fomba fitantanany?TF 361.3

    Tsy maintsy manan-karena amin’ny asa tsara isika mandritra izao fiainana izao raha tiantsika ny hahazo antoka ny amin’ny hoavy, dia ny fiainana tsy misy fahafatesana intsony. Rehefa hipetraka ny Mpitsara, ka hosokafana ny boky, dia handray ny valin’asany avokoa ny olombelona tsirairay avy. Betsaka ny anarana voasoratra ao amin’ny bokim-piangonana kanefa dia hampangain’ny bokin’ny lanitra ho mpandroba izy ireo. Koa raha tsy mibebaka sy miasa ho an’ny Tompo amin’ny fanompoana feno fandavan- tena izy ireo, dia azo antoka fa hahazo ny anjarany miaraka amin’ireo mpitantana tsy mahatoky izy ireo.TF 362.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents