Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Matetika no lasa Fandrika ireo Harena Nolovaina

    Mazàna no tonga fototry ny fangidiana ny vola napetraka ho an’ny ankizy. Matetika izy ireo no mifamaly sy tsy mifankahazo noho ny fananana najanona eo aminy; ary raha toa ka nametraka didim-pananana ny rainy, dia mazàna izy ireo no tsy ho afa-po amin’ny fizarana nataon’ny rainy. Raha mba tokony handrisika fankasitrahana sy fanajana ny fahatsiarovana azy ireo fananana navelany, dia miteraka tsy fahafaham-po, fimonomononana, fialonana, ary tsy fanajana. Ireo mpiray tampo izay nihavana teo aloha, dia lasa mifanditra indraindray, ary matetika no fifanolanana eo anivon’ny mpianakavy no vokatry ny fananana nolovaina. Tsy mahasoa ny fananana raha tsy ampiasaina hanomezana izay ilaina ankehitriny sy hanasoavana ny hafa. Matetika kokoa anefa no lasa fandrika ho an’ny tompony, fa tsy fitahiana ho azy, ny harena nolovaina. Ny ray aman-dreny dia tsy tokony hanao izay hiatrehan’ny zanany fakam-panahy amin’ny famelana azy ireo harena izay tsy nanaovany ezaka akory ny hahazoana izany.TF 367.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents