Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tombony ho an'ny Ankehitriny sy Mandrakizay

    Tokony hataonao tanjona ambony indrindra ny hanokana ny hery rehetra anananao ho amin'ny fanompoana an'i Kristy. Nahoana? Satria andraisana tombony lehibe ho amin'izao fiainana izao sy ho amin’ny fiainana mbola ho avy izany (...)TF 378.2

    “Ny maso no jiron'ny tena; koa amin'izany raha tsara ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. ” — Mat. 6:22. Raha tena tsara tokoa ny maso, ka mifantoka any an-danitra, dia hameno ny fanahy ny hazavan'ny lanitra, ary dia ho hita toy ny zavatra tsy misy dikany sy tsy mahasarika akory ny zavatry ny tany. Ho voaova ny tanjon'ny fo, ary horaisina am-po tokoa ny fampitandreman'i Jesôsy Hametraka ny harenao any an-danitra ianao. Hifantoka eo amin’ilay valisoa lehibe maharitra mandrakizay ny eritreritrao. Hatao mifanaraka amin’ny fiainana hoavy izay tsy misy fahafatesana intsony ny drafitra ataonao rehetra. Ary ho voasintona any amin'izay misy ny harenao ianao. Tsy hamakafaka ny tombontsoanao eto an-tany ianao; fa amin’ny zavatra rehetra ataonao, dia toy izao ny vavaka mangina hataonao: “Tompo ô, inona no tianao hataoko?” Ho voatenona eo amin’ny fiainanao isan'andro ny fivavahana ara-Baiboly. TF 379.1

    Ny tena Kristianina marina dia tsy hamela ny zava-manan- danjan'ny tany hanelanelana ny fanahiny amin'Andriamanitra. Hanana hery miasa mangina eo amin'ny fihetsiny sy ny asany ny lalàn'Andriamanitra. Raha ny tsirairay izay mikatsaka ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany no maneho fahavononana hiasa ny asan’i Kristy, dia hihamora manao ahoana re ny làlana mankany an-danitra e (...)TF 379.2

    Raha mifantoka amin’ny voninahitr’Andriamanitra ny maso, dia hohariana any ambony ny harena, ho voaaro amin'ny fahalòvana sy ny fahaverezana; fa “izay itoeran'ny harenao dia ho any koa ny fonao.” — Mat. 6:21. I Jesôsy no ho môdely irinao halaina tahaka. Ny lalàn’Andriamanitra no ho fahafinaretana ho anao, ary amin'ny andro farany handraisana ny karama, dia handre izao tenim-pifaliana izao izy: “Tsara izany ry mpanompo tsara sady mahatoky, nahatoky tamin'ny kely hianao ka hotendreko ho mpanapaka ny be, midira amin'ny fifalian'ny Tomponao. ‘’—Mat. 25:21. - RH, 24 Jan. 1888.TF 379.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents