Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 2 — Ny Asan’Andriamanitra Sy Ny Fanhanana Azy

    Toko 7 - Tsy Maintsy Tohanana Ny Asan’ny Tompo

    Ho tapitra mandrakizay ireo taom-pahasoavana farany. Efa mby tonga eo amintsika ny andro lehiben’i Jehôvah. Tokony hampiasaina mba hamohazana ireo maty ao anatin’ny heloka sy ny fahotana ny hery rehetra (...).TF 33.1

    Fotoana izao izay tokony hiantsorohantsika ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra. Nomena antsika mba hahasoa antsika ny baikony rehetra. Antsoiny avokoa ireo rehetra mijoro eo ambanin’ny faneva voapentin-dra an’i Emanoela Andriana. Antsoiny izy ireo mba hanaporofo, amin’ny alalan’ny famerenana Aminy ny ampahany amin’izay ankininy aminy, fa tsapany fa miankina amin’Andriamanitra sy ampamoahina eo anatrehany izy ireo. Natao hampiasaina ho fampandrosoana ny asa tsy maintsy hatao mba hamitana ny iraka nomen’i Kristy ny mpianany io vola io (...).TF 33.2

    Antsoina ho amin’ny asa izay mitaky vola sy fanoloran- tena ny vahoakan’Andriamanitra. Ny andraikitra mipetraka eo an-tsorotsika dia mihazona antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fiasana ho an’Andriamanitra amin’ny faran’ny fahaizantsika. Mitaky fanompoana tsy mizarazara izy, mitaky fanokanana feno ny fo, fanahy, saina, ary hery.TF 33.3

    Tsy misy afa-tsy toerana roa ihany eto amin’izao tontolo izao izay ahafahantsika mametraka ny harenantsika: na ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra, na ao amin’ny trano firaketan’i Satana. Ary izay rehetra tsy atokana ho amin’ny fanompoana an’Andriamanitra dia isaina ao amin’ny antokon’i Satana, ary alefa mba hampahatanjaka ny asany. Nokendren’ Andriamanitra mba hampiasaina amin’ny fanorenana ny fanjakany ireo hoenti-manana nankininy tamintsika. Nankininy tamin’ireo mpitantana notendreny ny fananany mba hahafahan’izy ireo mitantana izany amim- pitandremana, ka hitondra vokatra ho Azy amin’ny alalan’ny famonjem-panahy. Ho lasa mpitandrina mendri-pitokisana ihany koa ireo fanahy ireo, ka hiara-miasa amin’i Kristy mba hampandroso ny tombontsoan’ny asan’Andriamanitra.TF 34.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents