Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Kely Sisa ny Fotoana

    Kely sisa ny fotoana dia ho avy hamonjy ny zanany i Jesôsy, ary hanolotra ho azy ireo ny fikasihana farany ho amin'ny tsy fahafatesana. “Ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsy fahalovana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsy fahafatesana.” Hisokatra ny fasana, ka ny maty aloha no hitsangana amim-pandresena, ary hihiaka hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao?” — 1 Kôr. 15:53-55. Hivoaka ary tafina ny tsy fahafatesana ireo malalantsika izay natory tao amin'i Jesôsy.TF 389.1

    Ary rehefa hakarina ho any an-danitra ireo voaavotra, dia hihofahofa ny vavahadin'ny tanànan'Andriamanitra, ka hiditra ao ireo izay nitana ny fahamarinana. Feo kanto noho izay mety ho mozika hafa rehetra norenesin'ny sofina mety maty hatrizay no ho re hilaza hoe, “Avia, hianareo izay notahian'ny Raiko, handova ny fanjakana nomanina ho anareo hatramin'ny nanorenana izao tontolo izao.” — Mat. 25:34. Amin'izay dia handray ny valisoany ireo marina. Hifanaraka amin’ny fiainan'i Jehôvah ny fiainany Hatsipin'izy ireo eo an-tongotry ny Mpanavotra ny satroboninahitr'izy ireo, dia horaisiny ny lokanga volamena, ka hameno ny lanitra manontolo amin’ny mozika kanto indrindra. — Sg, 15 Apr. 1889.TF 389.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents