Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fotoam-Pitsitsiana sy Fanaovana Sorona

    Miantso ny olony Andriamanitra mba hahatsapa ny andraikiny. Misy fahazavana mitosaka avy eo amin’ny teniny, ka tsy maintsy tanterahina ireo adidy natao tsirambina. Rehefa tanteraka ireo, amin’ny fanomezana an’i Jehôvah ny ampahafolony sy ny fanatitra tokony ho Azy, dia hisokatra ny lalana ka hihaino ny hafatra nokendren’ny Tompo horenesiny izao tontolo izao. Raha manana ny fitiavana an’Andriamanitra ao am-pony ny vahoakantsika, raha toa ka vonton’ny toe-tsain’ny fanoloran-tena ny mambra tsirairay, dia tsy hisy izany tsy fahampiam-bola ho amin’ny asa eo an-toerana sy ho amin’ny asa any ivelany izany; hitombo ny hoenti-manantsika; hisy varavarana maro hisokatra; ary hasaina hiditra ao isika. Raha toa ka efa tanteraka ny fikasan’Andriamanitra teo amin’ny fampitana ny hafa- pamindrampo tamin’izao tontolo izao, dia efa tonga i Kristy, ary dia efa noarahabaina tongasoa tany amin’ny tanànan’Andriamanitra ny olo-masina.TF 35.2

    Raha misy fotoana tokony hanaovana fanoloran-tena, dia izao ankehitriny izao izany. Ranadahy sy rahavaviko, ampiharo ny fitsitsiana ao an-tokantranonareo. Esory ny sampy izay napetrakareo teo anatrehan’Andriamanitra. Ialao ireo fahafinaretana feno fitiavan-tena anananareo. Mitalaho aminareo aho, aza mandany vola amin’ny fanaingoana ny tranonareo; satria an’Andriamanitra ny volanareo, ary tsy maintsy hampamoahany ny amin’ny fampiasantsika izany isika. Aza mampiasa ny volan’i Jehôvah mba hanomezana fahafaham-po ny haitraitran’ny zanakareo. Ampianaro azy fa manan-jo amin’izay rehetra ananany Andriamanitra, ary tsy misy zavatra afaka manala izany zo izany mihitsy.TF 36.1

    Zavatra sarobidy ilaina ny vola. Aza lanilaniana foana amin’izay tsy mila azy izany. Misy olona mila ny fanomezana an-tsitrapo ataonao. Misy olona eto amin’izao tontolo izao noana sy mosarena. Mety hilaza ianao hoe: tsy afaka hamahana azy rehetra aho. Afaka mamahana olona iray anefa ianao amin’ny alalan’ny fampiharana ny lesona nomen’i Kristy momba ny fitsitsiana. “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy ho very.” — Jao. 6:12. Ireo teny ireo dia nolazain’Ilay nanao fahagagana tamin’ny alalan’ny heriny mba hanomezana izay nilain’ny vahoaka noana.TF 36.2

    Raha manana fahazarana hirobaroba ianao, dia esory izao dia izao tsy ho eo amin’ny fiainanao avokoa ireny fahazarana rehetra ireny. Raha tsy manao izany ianao, dia tsy hahaloa trosa intsony mandrakizay. Anjara tsara lavitra ho an’ny zanakao noho ny fananana be dia be omena azy hoentiny manam-bady ny fahazarana eo amin’ny fitsitsiana sy ny fahazotoana ary ny fahononan-tena.TF 36.3

    Mpivahiny sy vahiny isika eto an-tany. Andao isika tsy handany ny hoenti-manantsika amin’ny fanomezana fahafaham-po ireo faniriantsika izay tian’Andriamanitra hofehezintsika. Aoka ny mambran’ny fiangonana rehetra hitsangana toy ny lehilahy iray, ka hiasa amim-pahamatorana, tahaka ny olona izay mandeha amin’ny fahazavana fenon’ny fahamarinana ho an’izao andro farany izao (...).TF 36.4

    Inona no tombambidin’ny harena maro, raha toa ka vonana ho amin’ny trano mijoalajoala lafo vidy na hatao ao anatin’ny kaonty any amin’ny banky izany? Firy no lanjan’izany eo amin’ny fitaovam-pandanjana, raha oharina amin’ny famonjena ireo fanahy izay nanoloran’i Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra mandrakizay, ny ainy? - RH, 24 Des. 1903.TF 37.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents