Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fanohanana ireo Sahan’asa any Ivelany

    Tokony hofohazina ny fangoraham-pon’ny vahoakan’Andriamanitra any amin’ny fiangonana tsirairay manerana ny firenentsika, ary tokony hisy hetsika feno fiheverena ny hafa, ho fanomezana izay ilain’ny sahan’asa samihafa. Tokony hisy olona haneho fa liana amin’ny asan’Andriamanitra izy ireo, amin’ny alalan’ny fanomezana ny ampahany amin’ny fananany. Raha aseho ny fahalianana tahaka izany, dia hisy fatoram-pirahalahiana kristianina eo amin’ny mambran’ny ankohonan’i Kristy rehetra, ary hitombo hery hatrany hatrany izany.TF 38.1

    Io fitondrana amim-pahatokiana ny ampahafolony rehetra io, mba hasian-kanina ao an-trano firaketan’Andriamanitra, dia hahafahana mandray mpiasa ho ao amin’ny saha eo an- toerana sy any ivelany. Tsy maintsy misy saha misiônera hajoro any amin’ny toerana samy hafa, na dia mandrotsaka ny rakitry ny fahalalany any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao aza ireo boky sy ireo pejy voasoratra maro samy hafa. Tsy maintsy mitory ny tenin’ny fiainana sy famonjena ilay mpitoriteny velona. Misy saha misokatra izay manasa mpiasa mba hiditra ao aminy. Efa masaka ny vokatra, ary re any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao ny antsoantso mafin’ny Makedônianina, mitalaho mba hisian’ny mpiasa. - RH, 19 Feb. 1889.TF 38.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents