Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Hafointsika ve ny Asa?

    Maneran-tany ny hafatra entintsika; kanefa, maro no tsy manao na inona na inona ara-bakiteny mihitsy, ary misy maro hafa koa manao zavatra tena kely dia kely ary miaraka amin’ny tsy fahampiam-pinoana goavana, ka toy ny tsy misy ihany izany. Hafointsika ve ireo saha izay efa nosokafantsika tany amin’ny firenena any ivelany ireny? Havelantsika ve ny ampahany amin’ny asa amin’ny sahantsika eto an-toerana? Hihorohoro ve isika noho ny trosa an’arivony dôlara vitsy? Hihozongozona sy hitaredretra any aoriana ve isika ankehitriny, amin’izao sehatra farany amin’ny tantaran’ity tany ity izao mihitsy? Hoy ny foko hoe: tsia, tsia. Raha nandinika io fanontaniana io aho, dia tsy haiko ny tsy naneho hafanam- po miredareda ho fampandrosoana ny asa. Tsy handà ny finoantsika isika, tsy handà an’i Kristy isika. Hanao izany ihany anefa isika amin’ny farany raha toa ka tsy mandroso, kanefa efa manokatra ny lalana ny fitarihan’Andriamanitra.TF 39.3

    Tsy azo hajanona noho ny tsy fahampiana hoenti- manana ny asa. Tsy maintsy misy hoenti-manana misimisy kokoa hatontona ho amin’izany. Ry anadahiko any Amerika, amin’ny anaran’ny Tompoko, mitalaho aminareo aho, mifohaza! Ianareo izay mametraka ny talenta amin’ny endrika hoenti-manana ao anaty mosara ka manafina izany ao ambanin’ny tany, ianareo izay manorina trano sy mampitombo hatrany hatrany ny taninareo, mibaiko anareo Andriamanitra manao hoe: “Amidio avokoa izay rehetra anananao, ka omeo ny malahelo.” Ho avy ny fotoana izay tsy hahafahan’ny mpitandrina ny didin’Andriamanitra hividy na hivarotra intsony. Faingàna ka avoahy ireo talenta nalevinareo. Raha nanankinan’Andriamanitra vola ianareo, dia asehoy fa mahatoky ianareo eo amin’ny fitantananareo; velaro ny mosaranareo, ary alefaso any amin’ny mpanàna vola ny talentanareo, mba hahafahan’i Kristy mandray ny Azy, miampy ny zana-bola.TF 40.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents