Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ho An’ny Mpamaky

    Ity boky “torolalana ho amin'ny fahaiza-mitantana” ity dia natambatra avy amin'ny boky maro, ka alefa ankehitriny ho valin’ny fangatahana maro ho amin’ny asa tahaka izany. Nisy toromarika mivantana sy mahasoa maro isan-karazany avy tamin'ny fanahin’ny faminaniana niseho nandritra ny taona maro. Navoaka pirinty tamin'ny endriky ny gazety mpiseho amin'ny fotoana raikitra sy boky izany, saingy zavatra tsy mora tonga eny am-pelatanan'ny mpiasa sy ny mambra intsony ankehitriny no mandrafitra izany asasoratra izany, amin’ny kapobeny. Misy toromarika fanampiny maro momba io lohahevitra io anatin’ireo boky ankehitriny, saingy vitsy tamin'ireny no nampiasaina tato amin’ity boky ity. Tena feno fankasitrahana tokoa isika fa afaka mahazo toromarika voafidy tsara ny rehetra ankehitriny, izay homena ny fiangonana ato anatin'ity endriny tsara ity. Narafitra tao amin'ny biraon'ny famoahana ireo asasoratr'i Ellen G. White, teo ambanin'ny fitanhan’ny komitin'ny mpitantana ity boky ity.TF 6.1

    Eo amin’ny tontolon'ny fiainana sy ny fanompoana kristianina dia mitana toerana midadasika sy iankinan'ny aina ny resaka momba ny fitantanana. Voakasik'izany amin'ny fomba lalina sy tsy ankiato ny mpino tsirairay. Ny fahatsapantsika ny maha-fara tampony an'andriamanitra, sy ny maha-tompon’ny zava-drehetra azy, ary ny fandrotsahany ny fitahiany amintsika, dia voafaoka ao anatin’ny fahatakarana tsara ireo foto-kevitry ny fahaiza-mitantana. Rehefa mitombo sy mivelatra ny fahatakarantsika ireo foto-kevitra ireo, dia ho takatsika amin'ny fahafenoany ny fomba fiasan'ny fitiavan'andriamanitra sy ny fahasoavany eo amin'ny fiainantsika.TF 6.2

    Raha mahakasika zavatra ara-materialy ireo foto-kevitry ny fahaiza-mitantana, dia manana endrika ara-panahy izy ireo, ambonin'ny zava-drehetra. Tena zava-misy marina ny fanompoana an’i kristy. mitaky zavatra amintsika ny tompo mba hahafahany manao zavatra ho antsika Ny fanaovana ireo zavatra takina ireo araka ny sitrapon'andriamanitra dia manandratra ny resaka manontolo momba ny fahaiza-mitantana ho amin'ny toerana ara- panahy avo dia avo. Tsy manao an-keriny ny tompo. Tsy izy mihitsy no hangataka amin'ny tsy antony na ny hanompoantsika azy, na ny hanekentsika azy ka hamerenantsika aminy ireo zavatra izay nomeny antsika. Tena narindrany tsara anefa ny fomba fitantanan'ny lanitra, ka raha miara-miasa amim-pirindrana aminy eo amin’ireo zavatra ireo isika, dia hisy fitahiana ara-panahy maro hitobaka sy hiverina amintsika ihany. Tsy hahazo ireo fitahiana ireo isika raha tsy vitantsika ny miara-miasa aminy eo amin’ny fanatanterahana ny drafiny, ka noho izany dia mamehy ny tenantsika tsy hahazo ireo zavatra tena ilaintsika indrindra.TF 6.3

    Tena matoky izahay fa ny fandalinana amim-pahamatorana ireo foto-kevitry ny fahaiza-mitantana araka izay ambara ato anatin’ity boky ity dia hanampy ireo izay mandalina sy mampihatra izany ho amin'ny fanandramana tsara sy feno kokoa amin’ireo zavatr’andriamanitra. Aseho mazava tsara ato anatin’ity fanambarana manaraka ity izany:TF 7.1

    “Ny resaka momba ny fahaiza-mitantana dia tokony hisy fiantraikany mivaingana eo amin’ny vahoakan’andriamanitra rehetra (...). Ny fahalalahan-tanana hita mivaingana dia hanome aim-panahy ho an’ny olona an’arivony izay milaza fa mino ny fahamarinana, izay misaona noho ny amin'ny fahamaizinany ankehitriny Hanova azy ireo izany, avy amin'ny mpiankohoka amin’i mamona feno fitiavan- tena sy fieremana mankamin'ny mpiara-miasa matotra sy mahatoky amin’i kristy eo amin’ny famonjena ny mpanota.” - Testimonies, b. iii, t. 387.TF 7.2

    Ao anatin’ny vina ny hisian'ny fiovana tahaka izany, dia tokony handalina amim-pahamatorana ity boky ity ny rehetra, mivavaka mba ho voatarika ho amin’ny fanandramana tsara sy feno kokoa amin’andriamanitra isika rehetra.TF 7.3

    Ireo Mpiandraikitra ny Raki-tsoratr’i Ellen G. White

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents