Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Asa eo Anoloantsika

    Misy tontolo izay tsy maintsy ampitandremina. Tamintsika no nanankinana io asa io. Tsy maintsy ampiharintsika ny fahamarinana, na ohatrinona na ohatrinona no saran’izany. Tsy maintsy mijoro tsy azo hozongozonina amin’ny fanoloran-tenantsika eo amin’ny asan’Andriamanitra isika, vonona ny hiaritra hatramin’ny fahafatesana, raha ilaina izany. Misy asa lehibe tsy maintsy vitaina ao anatin’ny fotoana fohy. Ilaintsika ny mahatakatra ny asantsika, sy ny manao izany amim-pahatokiana. Hahazo ny zo hitafy ny fahamarinan’i Kristy ny olona tsirairay izay hosatrohina fandresena amin’ny farany, noho ny ezaka mendrika sy natao tamim- paharetana teo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny andraikitry ny Kristianina tsirairay dia ny hiditra eo amin’ny ady ifanaovana amin’i Satana, ka hanangana avo dia avo ny fanevan’ny hazo fijalian’i Kristy voapentin-drà.TF 44.2

    Mitaky fanoloran-tena io asa io. Mijoro eo amin’ny lalan’ny fiainana iray manontolo ny fandavan-tena sy ny hazo fijaliana. “Raha misy olona ta-hanaraka Ahy,” hoy i Kristy, “aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy.” - Mat. 16:24. Tsy maintsy miasa mafy sy manao sorona ny tenany ireo izay mamory harena eto amin’izao tontolo izao. Hihevitra ve ireo izay mitady valim- pitia mandrakizay fa tsy mila manao sorona koa izy ireo? - RH, 31 Jan. 1907.TF 45.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents