Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Aza Miandry Antso

    Tsy tokony hiandry antso hafa ny vahoakantsika, fa tokony hirotsaka avy hatrany eo amin’ny asa, ka hanao ireo zavatra izay toa tsy azo tanterahina ho zavatra azo tanterahina. Aoka ny tsirairay hanontany tena hoe: tsy nanankinan’Andriamanitra hoenti-manana mba hampandrosoana ny asany va aho? (...)TF 45.2

    Aoka ho mahitsy eo anatrehan’ny Tompo isika. Avy Aminy avokoa ireo fitahiana rehetra ifaliantsika. Ary raha nanankinany talenta amin’ny endrika vola isika, mba hanampiantsika ny famitana ny asany, dia hofihinintsika ve izany vola izany? Hiteny va isika hoe: Tsia, Tompo ô; ho tezitra mantsy ny zanako, ka tsy maintsy midi-kizo amin’ny tsy fankatoavana an’Andriamanitra aho, ary handevina ny talenta nomenao ahy ao ambanin’ny tany?TF 45.3

    Tsy tokony hisy hatak’andro. Mila ny fanampianao ny asan’Andriamanitra. Miangavy anao izahay, amin’ny maha- mpitantana ny fananan’ny Tompo anao, mba hampandeha ny hoenti-manana nomeny anao hamoronana tombontsoa hahafahan’ny maro mahalala ny fahamarinana.TF 45.4

    Mety ho tonga aminao ny fakam-panahy hanokana ny volanao mba hividianana tany. Angamba hanoro hevitra anao ny namanao mba hanao izany. Saingy tsy misy fomba tsara kokoa hampiasana ny volanao ve? Tsy novidina lafo va ianao? Tsy nankinin’ny Tompo taminao va ny volanao mba hampitomboinao ho Azy? Tsy hitanao ve fa tiany raha ampiasainao ny volanao ho fanampiana amin’ny fanorenana trano fivoriana, sy ho fanampiana amin’ny fananganana toeram-pitsaboana, izay hahazoan’ireo marary fanasitranana ara-batana sy ara-panahy, ary ho fanampiana amin’ny fampijoroana sekoly, izay hanabeazana ny tanora ho amin’ny fanompoana, mba hahafahana mandefa mpiasa any amin’ny faritra rehetra eran’izao tontolo izao?TF 46.1

    Andriamanitra mihitsy no nametraka ny drafitra ho amin’ny fampandrosoana ny asany, ka nomeny hoenti- manana manana amby ampy ny olony, mba hamalian’izy ireo amim-pifaliana ny antsony rehefa mitaky fanampiana Izy. Hiroborobo faingana ny asany raha toa ka mahatoky amin’ny fitondrana ho ao an-trano firaketany ny harena nampindramina taminy izy ireo. Hisy fanahy maro ho babon’ny fahamarinana, ary hafainganina ny andro hiavian’i Kristy. - RH, 14 Jol. 1904.TF 46.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents