Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 9 - Ny Feon’ny Fanoloran-Tena

    Ity ve no lazain’ny fonao: “Anao tanteraka aho, Mpamonjiko ô. Naloanao ny onitra ho fanavotana ny fanahiko, ka Anao avokoa ny momba ahy rehetra na izay iriko ho fiainako rahatrizay. Ampio aho mba hahazoako hoenti- manana, tsy ho lanilaniana foana anefa, tsy hampanaranam- po ny avonavona, fa hampiasaina ho voninahitry ny anaranao irery ihany”.TF 47.1

    Aoka ho izao no eritreritrao amin’ny zavatra rehetra ataonao: “Ity ve no lalan’ny Tompo? Hankasitrahan’ny Mpamonjiko ve izao? Nanolotra ny ainy ho ahy Izy, ka inona no azoko hatolotra an’Andriamanitra ho setrin’izany? Izao ihany no azoko lazaina: ‘Avy amin’ny Anao ihany, Tompo ô, no anomezako Anao amin-kalalahana.”‘ Raha tsy voasoratra eo amin’ny handrinao ny anaran’Andriamanitra, - voasoratra eo satria Andriamanitra no ivon’ny eritreritrao, - dia tsy hanana anjara amin’ny lova ao amin’ny fahazavana ianao. Ny Mpamorona anao no nandrotsaka taminao ny lanitra iray manontolo tao anatin’ny fanomezana mahatalanjona anankiray, dia ny Zananilahy Tokana izany (...) .TF 47.2

    Mamelatra ny tanany eo amin’ny ampahafolony, sy eo amin’ny fanatitra sy ny fanomezana hafa, Andriamanitra, ka milaza hoe: “Ahy ity. Rehefa nankiniko taminao ny fananako, dia nomarihiko tsara fa misy ampahany tokony ho anao, mba hampiasaina ho amin’izay ilainao, ary misy ampahany tokony haverina Amiko.”TF 47.3

    Raha nanangona ny vokatrao ianao, ka nitahiry vokatra tao amin’ny fitoeram-barinao sy tao an-tsompitrao mba hampilamina anao, dia mba namerina ampahafolony tena feno tamin’Andriamanitra ve ianao? Nanolotra fanomezana sy fanatitra ho Azy ve ianao, mba tsy hijalian’ny asany? Mba nikarakara ny kamboty sy ny mpitondratena ve ianao? Sampany amin’ny asa misiônera eo an-toerana izay tsy tokony hohamaivanina velively io.TF 48.1

    Tsy misy mahantra sy mijaly va manodidina anao, izay mila fitafiana mafana kokoa, sy sakafo tsara kokoa, ary, ambonin’ny zavatra hafa rehetra, ka homena ny tombambidy ambony indrindra, - fangorahana sy fitiavana? Inona no nataonao ho an’ny mpitondratena sy ny mahantra, izay mandefa antso aminao mba hanampy azy ireo hanabe sy hanofana ny zanany sy ny zafikeliny? Ahoana no niatrehanao ireo toe-java-misy ireo? Mba niezaka nanampy ny kamboty ve ianao? Rehefa nisy ray aman-dreny na raibe sy renibe nitebiteby fatratra sy vesaram-panahiana nangataka anao, ary nitalaho taminao mihitsy aza, mba handinika ny zava- misy eo aminy, dia nihodinanao fotsiny tamim-pandavana tsy misy fitserana sy fangorahana va izy ireo? Hiantra ny hoavinao anie ny Tompo, raha toa ka izany; satria “araka ny ohatra ataonareo no hanoharana ho anareo ” — Mat. 7:2. Ho gaga ve isika raha tsy mandrotsaka ny fitahiany Izy, nefa avily amim-pitiavan-tena sy tsy ampiasaina araka ny tokony ho izy ny fanomezany?TF 48.2

    Mandrotsaka aminao tsy an-kiato ireo fitahiana eto amin’ity fiainana ity Andriamanitra. Ary raha mangataka anao Izy mba hizara ny fanomezany amin’ny alalan’ny fanampianao ireo sampana maro samy hafa eo amin’ny asany, dia ho amin’ny tombontsoanao ara-nofo sy ara-panahy ihany izany, ary amin’izay koa dia ekenao fa Andriamanitra no mpanome ny fitahiana rehetra. Miara-miasa amin’ny olona Andriamanitra, amin’ny maha-Tompo fara tampony Azy, mba hanangona vola ampy hanohanana azy ireny; ary takiny ny hiarahan’izy ireo miasa Aminy eo amin’ny famonjem- panahy. Napetrany teo am-pelatanan’ny mpanompony ny hoenti-manana izay hoentina hampandrosoana ny asany ao amin’ireo saha eo an-toerana sy any ivelany. Tsy hahazo ny vola ilaina anefa ny trano firaketana raha toa ka ny antsasaky ny olona ihany no manao ny andraikiny, ka dia tsy maintsy havela ny ampahany maro amin’ny asan’Andriamanitra. - RH, 23 Des. 1890.TF 48.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents