Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ampilefero ny Tombontsoa Rehetra eto an-Tany

    Ranadahy sy rahavavy malala, miresaka aminareo amin- tenim-pitiavana sy fahalemem-panahy aho. Tsy maintsy ampileferina eo ambanin’ny asa lehibe famonjem-panahy ny tombontsoa rehetra eto an-tany. Tsarovy fa tsy maintsy hita eo amin’ny fiainan’ny mpanara-dia an’i Kristy rehetra ny fanokanan-tena sy ny fampileferana eo ambanin’ny asan’Andriamanitra ny tombontsoa ara-piarahamonina sy ny fitiavana ny eto an-tany, tahaka izay hita teo Aminy. Tsy maintsy atao laharam-pahamehana mandrakariva ny fitakian’Andriamanitra. “Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika ho Ahy.” — Mat. 10:37. Bokin- desona ho antsika ny fiainan’i Kristy. Tokony hanainga antsika hanao ezaka tsy mety sasatra sy feno fanoloran-tena hanao izay mahasoa ny hafa ny ohatra nomeny (...).TF 55.1

    Tokony hampiasaina tsy an-kiato ny fahefana rehetra ananan’ny mpanompon’Andriamanitra mba hitondra zanakalahy sy zanakavavy maro ho eo amin’Andriamanitra. Tsy tokony hisy tsy firaihana na fitiavan-tena eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Ny fialana amin’ny fandavan-tena mankamin’ny fampanaranam-po ny tena sy ny fanaovana tsirambina ny fitalahoana matotra ny fiasan’ny Fanahy Masina dia midika fa nisy fahefana be dia be nomena ny fahavalo. Mijery ny fiangonany i Kristy. Firifiry moa ireo izay voaheloky ny fiainam-bavaka ananany ihany!TF 56.1

    Mangataka izay tsy omentsika Andriamanitra: ny fanoloran-tena feno. Raha toa ka nanaja ny voady nataony tamin’ny nanekeny an’i Kristy ny Kristianina tsirairay, dia ho olona maro teto amin’izao tontolo izao no tsy navela ho very tao anatin’ny fahotana. Iza no hamaly ho an’ireo fanahy izay nankany am-pasana nefa tsy voaomana ny hihaona amin’ny Tompony? Nanolotra ny Tenany ho fanatitra feno ho antsika i Kristy. Tamim-pahamatorana manao ahoana re no niasany mba hamonjeny ny mpanota e! Nanao ahoana ny tsy fitandrovany hasasarana teo amin’ny ezaka nataony mba hanomanana ny mpianany ho amin’ny fanompoana! Kely manao ahoana anefa no nataontsika! Ary ny vokatry ny zavatra kely vitantsika dia tena nohalefahan’ny zavatra tsy nataontsika na niantsorohana saingy tsy vita mihitsy, tamin’ny alalan’ny fahazarantsika feno tsy firaihana. Firifiry ny fatiantoka azontsika noho isika tsy rototra amin’ny famitàna ny asa nomen’Andriamanitra antsika! Tokony ho ketraka isika noho izany toe-javatra izany, satria milaza ny tenantsika ho Kristianina isika. - RH, 30 Des. 1902.TF 56.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents