Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 3 — Ny Anjaran’andriamanitra Ny Ampahafolony

    Toko 12- Fitsapana Ny Fahatokiana

    “Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao sy amin'izay voaloham- bokatrao rehetra; Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram barinao, ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao. ” - Ohab. 3:9.TF 66.1

    Mampianatra io andininy io fa: manana zo amin’ny fananantsika rehetra Andriamanitra, amin’ny maha- Mpanome izany Azy ho antsika; tokony hoheverintsika voalohany indrindra io zony io; ary hisy fitahiana hanaraka ireo rehetra izay manaja io zo io.TF 66.2

    Marihina eto amin’ity andalan-teny ity ny foto-kevitra iray izay hita eo amin’ny fifampiraharahan’Andriamanitra amin’ny olona. Nametraka ireo ray aman-drenintsika voalohany tao amin’ny Saha Edena ny Tompo. Nohodidininy ny zavatra rehetra izay afaka niasa ho amin’ny fahasambarany izy ireo, ary niangavy azy ireo Izy mba hanaiky Azy amin’ny maha- tompon’ny zavatra rehetra. Tao amin’ny saha dia nataony nitombo ny hazo tsirairay izay mahafinaritra ny maso sy tsara ho fihinana; saingy nasiany anankiray manokana teo amin’ireo hazo ireo. Afaka nihinana maimaimpoana ny hazo hafa rehetra i Adama sy i Eva, fa hoy kosa Andriamanitra momba io hazo iray io hoe: “aza ihinanana”. Io no fitsapana ny fankasitrahany sy ny fahatokiany an’Andriamanitra.TF 66.3

    Koa nomen’ny Tompo antsika ny harena sarobidy indrindra tany an-danitra raha nanolotra an’i Jesôsy ho antsika Izy. Nomeny antsika tamin-kalalahan-tanana niaraka Taminy ny zava-drehetra mba hahafahantsika mifaly amin’izany. Fanomezana avy Aminy avokoa ny voan’ny tany, ireo vokatra marobe, ireo harena toy ny volamena sy ny volafotsy. Napetrany teo am-pelatanan’ny olona ny trano sy ny tany, ny sakafo sy ny fitafiana. Mangataka antsika Izy mba hanaiky fa Izy no Mpanome ny zava-drehetra; ary noho io antony io no mahatonga Azy hilaza hoe: Natokako ho Ahy ny ampahafolony amin’ny fanananao rehetra, ankoatra ny fahomezana sy ny fanatitra, izay tsy maintsy entina ao amin’ny trano firaketako. Io no fomba nomanin'Andriamanitra mba hampandrosoana ny asan'ny filazantsara.TF 67.1

    I Jesôsy Kristy Tompo, izay nanolotra ny ainy ho an'izao tontolo izao, no namolavola io drafitra ho fanolorana mitohy io. Izy ilay nandao ny lapany, izay nametraka ny hajany amin’ny maha-kômandan'ny tafiky ny lanitra Azy, izay nampitafy ny maha-Andriamanitra Azy tamin’ny maha- olombelona mba hanandratana ilay taranaka lavo; Izy izay tonga malahelo ho antsika mba hampanan-karena antsika ny alahelony, no niresaka tamin’ny olombelona, ary tao anatin'ny fahendrena no nilazany taminy ny drafitra apetrany ho fanohanana ireo izay mitondra ny hafany amin'izao tontolo izao. - RH, 4 Feb. 1902.TF 67.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents