Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fankasitrahan’i Paoly io Rafìtra io

    Tao amin’ny epistily voalohany nosoratan’i Paoly ho an’i Kôrinto dia nanome torohevitra momba ny fitsipika an- kapobeny momba ny fanohanana ny asan’Andriamanitra etỳ an-tany tamin’ny mpino izy. Raha nitantara ny asa nataony ho azy ireo izy dia nametraka izao fanontaniana izao:TF 72.3

    “Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany? Iza no manao tanimboaloboka ka tsy mihinana ny vokatra? Ary iza no miandry ondry aman-osy ka tsy mihinana ny rononony? Moa araka ny fihevitry ny olona va no itenenako izany, sa ny lalàna mba milaza izany koa? Fa voasoratra eo amin'ny lalàn'i Mosesy hoe: “Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary”. Ny omby va no ahìn'Andriamanitra? Sa noho izahay mihitsy no nanaovana izany teny izany? Eny, fa noho izahay indrindra no nanoratana izany, satria izay miasa tany dia tokony hiasa amin'ny fanantenana, ary izay mively vary dia tokony hively amin'ny fanantenana hahazo.TF 73.1

    “Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay? Raha ny hafa aza manana izany fahefana izany aminareo, tsy mainka va fa izahay? Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy. Tsy fantatrareo va fa izay manompo amin'ny zavatra masina dia mihinana ny zavatry ny tempoly, ary izay manompo eo amin'ny alitara dia miombona amin'ny alitara? Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara.” Kôr. 9:7-14.TF 73.2

    Nasehon’ny apôstôly tamin’izany ny drafitr’ Andriamanitra amin’ny fiantohana ny fiveloman’ny mpisorona izay miasa ao amin’ny tempoly. Ny rahalahiny izay izaràny ny fitahiana ara-panahy no miantoka an’ireo izay voatokana hanao asa masina. “Ary izay avy tamin'ny taranak'i Levy ka mandray ny fisoronana no mahazo teny haka ny fahafolon-karena amin'ny olona araka ny lalàna, dia amin'ny rahalahiny izany, na dia teraky ny kibon'i Abrahama aza ireny” — Heb. 7:5. Ny taranak’i Levy dia nofidin’i Jehôvah hanao asa masina momba ny tempoly sy ny fisoronana. Izao no voalaza ny amin’ny mpisorona: “Fa izy (...) no nofidin'i Jehovah Andriamanitrao tamin'ny firenenao rehetra hitsangana hanao fanompoam-pivavahana mandrakizay amin'ny anaran'i Jehovah. ” — Deo. 18:5. Notakin’i Jehôvah ho Azy ny ampahafolon’ny tombontsoa rehetra voaray (...).TF 73.3

    Ny amin’izany planin’ny fiantohana ny asa izany no nahatonga ny tenin’ny apôstôly Paoly hoe: “Toy izany kaa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara”. Taorian’izany dia hoy koa izy tamin'i Timoty: “Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany” — 1 Tim. 5:18- VM, tt. 293,294TF 74.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents