Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 14 - Drafitra Mahatalanjona Noho Ny Fahatsorany

    Ny planin’Andriamanitra eo amin’ny fanaovana ampahafolony dia mahatalanjona noho ny fahatsorany sy ny fahitsiany. Afaka manaraka izany amim-pinoana sy amin-kerim-po ny tsirairay, satria avy amin’Andriamanitra no nipoirany. Mikambana ao anatiny ao ny fahatsorana sy ny mahasoa, ary tsy mitaky fandalinana lalina izany mba hahatakarana sy hampiharana azy. Afaka mahatsapa ny rehetra fa afaka mandray anjara izy ireo eo amin’ny fampandrosoana ny asa sarobidin’ny famonjena. Afaka ny ho tonga mpitam-bolan’ny Tompo ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny tanora tsirairay, ary afaka ny ho fitaovana mba hanolotra izay takin’ny firaketana (...).TF 77.1

    Zavatra goavana maro no tanteraka amin’ny alalan’io rafitra io. Raha samy manaiky an’io ny rehetra, tsy misy ankanavaka, dia hatao mpitahiry vola malina sy mahatoky ho an’Andriamanitra ny tsirairay; ary dia ho ampy ny vola hoentina hamitana ny asa lehibe fampitana ny hafatra fampitandremana farany amin’izao tontolo izao. Ho feno ny firaketana raha toa ka mandray io rafitra io ny rehetra, ary tsy havela hihamahantra ireo mpandray anjara. Ho lasa miraiki-po amin’ny fahamarinana ankehitriny izy ireo amin’ny alalan’ny rotsa-bola tsirairay atao. “Hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin'ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana” — 1 Tim. 6:19, izy ireo. - 3T, tt. 388, 389.TF 77.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents