Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ho an’ny Manan-Karena sy ny Mahantra

    Hisy fahasamihafana lehibe ny vola aloan’ny olona samihafa eo amin’ny rafitra ara-Baiboly momba ny ampahafolony sy ny fanatitra satria arakaraka ny vola miditra izany. Ho an’ny olona mahantra, dia ho vola kely kokoa ny ampahafolony, ary ho araka ny fahafahany ny fanatitra hatolony. Tsy ny haben’ny fanomezana anefa no mahatonga ny fanatitra hankasitrahan’Andriamanitra, fa ny fikasan’ny fo, sy ny toe-tsain’ny fankasitrahana sy fitiavana izay asehon’izany. Aoka ny mahantra tsy hieritreritra fa kely loatra ny fanatitra atolony ka tsy mendrika hojerena. Aoka izy ireo hanome araka ny fahafahany, hahatsapa fa mpanompon’Andriamanitra izy ireo, ary hanaiky ny fanatitra atolony Izy.TF 78.1

    Ilay nanankinan’Andriamanitra petra-bola betsaka, raha toa ka tia sy matahotra an’Andriamanitra izy, dia tsy handray ho enta-mavesatra ny fanatanterahana ny fitakian’ny feon’ny fieritreretana nohazavaina araka ireo fitakian’Andriamanitra. Halaim-panahy hampanara-po ny fitiavan-tena sy ny fahihirana, sy handa tsy handoa ny anjaran’i Jehôvah ny mpanan-karena. Saingy izay mahatoky amin’Andriamanitra, rehefa alaim-panahy, dia hamaly an’i Satana hoe: “Fa voasoratra hoe”, “Handroba an'Andriamanitra va ny olona?” “Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?” — Mat. 16:26. - RH, 16 May 1893.TF 78.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents