Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fehezin’ny Fanekem-Pifandraisana

    Eo amin’ny asa lehibe fampitandremana izao tontolo izao, dia hanatanteraka ny anjara nankinina taminy ireo izao manana ny fahamarinana ao am-pony sy nohamasinin’ny fahamarinana. Ho mahatoky izy ireo eo amin’ny fandoavana ny ampahafolony sy ny fanatitra. Ny mambra tsirairay ao amin’ny fiangonana dia fehezin’ny fanekem-pifandraisana amin’Andriamanitra, ka handa ny fandanilaniam-poana ny hoenti-manana eo am-pelatanany. Aoka ny filàna fitsitsiana tsy hahatonga antsika tsy ho afaka hanatanteraka ny anjarantsika eo amin’ny fanatanjahana ny asa efa niorina, sy eo amin’ny fidirana any amin’ny faritra vaovao. - RH, 17 Jan. 1907.TF 78.3

    Miangavy ny anadahiko sy ny rahavaviko manerana izao tontolo izao aho mba hifoha, ka hanatanteraka ny andraikitra mitoetra eo an-tsorony, dia ny handoa ampahafolony amim- pahatokiana (...).TF 79.1

    Mihazòna kajy marina manoloana ny Mpamorona. Aoka ho tsapa amin’ny fahafenoany ny lanjan’izany hoe marina eo anatrehan’ilay Andriamanitra izay mahafantatra mialoha ny zava-drehetra izany. Aoka ny tsirairay handinika fatratra ny fony. Aoka izy hanara-maso ny kajikajiny, ka hahita mazava tsara ny fijoroany manoloana an’Andriamanitra.TF 79.2

    Nanao fanekena taminao Izy izay nanolotra ny Zananilahy tokana ho faty ho anao. Omeny fitahiana ianao, ka mangataka anao Izy mba hitondra ny ampahafolonao sy ny fanatitrao, ho setrin’izany. Tsy hisy olona na oviana na oviana ho sahy hilaza fa tsy takany mihitsy io resaka io. Nambara mazava tsara ao amin’ny toko fahatelo amin’ny bokin’i Malakia ny drafitr’Andriamanitra momba ny ampahafolony sy ny fanatitra. Miantso ireo olombelona fitaovany Andriamanitra mba hatoky amin’ny fanekena nataony tamin’izy ireo. Hoy Izy: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko.” - Mal. 3:10. - RH, 3 Des. 1901.TF 79.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents