Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 15 - Resaka Fahatokiana

    Toa manakana ny olona tsy hanome an’Andriamanitra ny anjarany ny toe-tsaina ambany sy feno fitiavan-tena. Nanao fanekena miavaka tamin’ny olombelona Andriamanitra, fa raha hanokana tsy tapaka ny ampahany nokendrena hampandroso ny fanjakan’i Kristy izy ireo, dia hitahy azy ireo fatratra ny Tompo, ka tsy ho omby ny toerana handraisana ny fanomezany. Fa raha mihazona izay an’Andriamanitra kosa ny olombelona, dia manambara mazava tsara ny Tompo hoe: “Voaozona amin'ny ozona hianareo” (...).TF 82.1

    Ho tsapan’ireo izay miaiky fa miankina amin’Andriamanitra izy ireo fa tsy maintsy mahatoky manoloana ireo mpiara- belona aminy izy ireo, ary, ambonin’ny zava-drehetra, tsy maintsy mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra, izay iavian’ny fitahiana rehetra eo amin’ny fiainana. Voarakitra ao amin’ny bokin’ny lanitra ho fandrobana an’Andriamanitra ny fialana amin’ny didy mazava nomeny mikasika ny ampahafolony sy ny fanatitra.TF 82.2

    Tsy misy olona izay tsy mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra sy amin’ny mpiara-belona aminy afaka ny ho ambinina marina tokoa. Hoy ilay Andriamanitra avo indrindra, ilay tompon’ny lanitra sy ny tany: “Aoka tsy hisy vato mahery sy reraka ao an-kitaponao. Aoka tsy hisy famarana mihoatra sy latsaka ao an-tranonao. Vato feno lanja sady marina ary famarana tonga ohatra sady marina no aoka hotananao, mba ho maro andro hianao any amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao anao. Fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izay rehetra manao izany zavatra izany, dia izay rehetra manao ny tsy marina. ” — Deo. 25:13-16. Naneho indray ny fankahalany ny tsy fahatokiana tamin’ny alalan’ny mpaminany Mika ny Tompo: “Mbola misy rakitry ny faharatsiana ihany va ao an- tranon'ny ratsy fanahy sy ny famarana tsy ampy izay voaozona? Mety madio va aho, raha manana mizana mandainga? (...) Izaho kosa dia hikapoka maharary anao amin'ny fandringanako anao noho ny helokao. ” - Mika 6:10,13. -RH, 17 Des. 1889.TF 82.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents