Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mahafoy ny Fiadanan-Tsaina

    Rehefa tsy ara-drariny ny fifampiraharahantsika amin’ireo mpiara-belona amintsika sy amin’Andriamanitsika, dia manamavo ny fahefan’Andriamanitra isika, ary manao tsinontsinona ny fahamarinana fa novidin’i Kristy tamin’ny ainy mihitsy isika. Mandroba an’Andriamanitra amin’ny lafiny rehetra izao tontolo izao. Arakaraka ny anomezany harena ny olombelona no tena ilazan’izy ireo fa azy izany, hampiasaina araka izay tiany. Fa hanaraka ny fanaon’izao tontolo izao ve ireo milaza ho mpanara-dia an’i Kristy? Hafointsika ve ny fiadanan-tsaina sy ny fifandraisana amin’Andriamanitra ary ny fisakaizana amin’ireo mpianakavin’ny finoana, satria tsy vitantsika ny manokana ho amin’ny asany ny ampahany izay nolazainy fa Azy?TF 83.1

    Aoka ireo izay milaza azy ho Kristianina hahatsiaro mandrakariva fa mitantana ny petra-bola nankinin’Andriamanitra taminy izy ireo, ka asaina manaraka amim-pahatokiana ny toromarika omen’ny Soratra mahakasika ny fampiasaina izany petra-bola izany izy ireo. Tsy hanodinkodina ny fananan’ny Tomponao ka handrotsaka izany ao amin’ireo orinasanao ho amin’ny tombontsoanao manokana ianao raha toa ka marina eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao (...).TF 83.2

    Ranadahy sy ranabavy, raha notahin’ny Tompo tamin’ny fananana ianao, dia aza raisina ho toy ny anao manokana izany. Raiso ho toy ny nampiandraiketin'Andriamanitra hotantananao izany, ka aoka ho marina sy ho mahatoky eo amin’ny fandoavana ny ampahafolony sy ny fanantitra. Rehefa manao voady ianao, dia aoka ho azonao antoka fa miandry ny handoavana izany haingana araka izay tratranao Andriamanitra. Aza mampanantena ampahany amin’ny Tompo, kanefa maka sy mampiasa izany ho an’ny tenanareo manokana rehefa avy eo, fandrao ho lasa fahavetavetana eo imasony ny vavaka ataonareo. Ny fanaovana tsirambina ireo adidy nambara mazava tsara ireo no mitondra haizina eo amin’ny fiangonana. - RH, 17 Des. 1889.TF 84.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents