Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 16 - Ny Tsy Fiovaovana Sy Ny Rafitra

    Ireo toromarika nomen’ny Fanahy Masina tamin’ny alalan’ny apôstôly Paoly mahakasika ny fanomezana dia maneho fitsipika izay mihatra ihany koa amin’ny fanaovana ampahafolony: “Amin'ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin'inona na amin inona no anambinana azy.” 1 Kôr. 16:2. Tafiditra ao ny ray aman-dreny sy ny ankizy. Tsy miantefa amin’ny mpanan- karena fotsiny ihany izany, fa amin’ny malahelo ihany koa. “Aoka ny olona rehetra samy hanao araka izay inian'ny fony avy [sady mihevitra amim-pahitsiana ny drafitra nosoritan’ Andriamanitra], tsy amin'ny alahelo, na amin'ny faneriterena; fa ny mpanome amin'ny fifaliana no tian'Andriamanitra. ” - 2 Kôr. 9:7. Tokony hatao ao anatin’ny fiheverana ny fahatsaran’Andriamanitra lalina manoloana antsika ny fanomezana.TF 85.1

    Ary inona no fotoana sahaza kokoa hofidina mba hanokanana ny ampahafolony sy hanolorana ny fanatitsika an’Andriamanitra? Nibanjina ny fahatsarany isika ny Sabata. Nandinika ny asany teo amin’ny famoronana isika, izay porofon’ny heriny ho fanavotana antsika. Feno fankasitrahana noho ny fitiavany lehibe ny fontsika. Koa ankehitriny, mialoha ny hanombohana ny asa amin’ny herinandro, dia averintsika Aminy ny anjarany, ary ampiarahantsika amin’ny fanatitra ho porofon’ny fankasitrahantsika izany. Amin’izay dia ho toriteny isan-kerinandro ny fanaontsika, manambara fa Andriamanitra no tompon’ny fananantsika rehetra, ary nataony ho mpitantana isika mba hampiasa izany ho voninahiny. Hanamafy ny fahatsapana andraikitra ny fanekena ny andraikitsika amin’Andriamanitra. Mihalalina ny fankasitrahana rehefa asehontsika izany, ary aina ho an’ny fanahy sy ny vatana ny fifaliana entin’izany. -RH,4 Feb. 1902.TF 85.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents