Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Manatanteraka ny Fitakian’Andriamanitra Aloha

    Tsy hoe milaza fotsiny ihany ny Tompo fa Azy ny ampahafolony, fa lazainy amintsika ihany koa ny fomba tokony hanokanana izany ho Azy. Hoy Izy: “Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao sy amin'izay voaloham- bokatrao rehetra.” Tsy mampianatra antsika izany fa tokony holaniantsika araka izay tiantsika ny volantsika, dia hitondra eo anatrehan’i Jehôvah ny sisa tavela, na dia ampahafolony mahatoky aza izany. Aoka hatokana voalohany indrindra ny anjaran’Andriamanitra. - RH, 4 Feb. 1902.TF 86.3

    Tsy tokony ho amin’izay sisa tavela amin’ny vola miditra amintsika no hanokanantsika ho Azy, rehefa tanteraka avokoa ny zavatra ilaintsika, ny tena misy sy izay foronin’ny saina. Fa mialoha ny handaniana ny ampahany bitika amin’izany dia tokony hanavaka izay nofaritan’Andriamanitra fa Azy isika.TF 87.1

    Olona maro no hanome fahafaham-po ny zavatra ilainy sy ny faniriana tsy manan-danja rehetra aloha, dia izay tsimponina farany, raha toa ka misy izany, no mba avelany ho an’Andriamanitra. Ary raha toa ka tsy misy, dia tsy maintsy miandry izay fotoana heverintsika fa mety kokoa indray ny asany. - RH, 16 May 1882.TF 87.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents