Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mandroba an’Andriamanitra

    Tsy mahatonga anao ho Kristianina ny fananana ny anaranao voasoratra eo amin’ny bokim-piangonana. Tsy maintsy mitondra ny fanomezanao eo amin’ny alitaran’ny fanatitra ianao, ka hiara-miasa amin’Andriamanitra amin’ny fara tampon’ny fahafahanao, mba hahafahany maneho ny hatsaran’ny fahamarinany amin’ny alalanao. Aza mihazona na inona na inona izay an’ny Mpamonjy. Azy avokoa ny zava-drehetra. Tsy hanan-javatra hatolotra ianao raha toa ka tsy nanolotra ho anao aloha Izy.TF 90.3

    Niditra ny fitiavan-tena, ka naka ho an’ny tenany izay an’Andriamanitra. Fieremana izany, izay tena fanompoan- tsampy. Ataon’ny olombelona ampihimamba izay nampindramin’Andriamanitra azy ireo, tahaka ny hoe fananany manokana erỳ izany, hanaovany araka izay sitraky ny fony. Rehefa mahazo fahafaham-po ny hery fanangonany harena, dia mientreritra izy ireo fa mahatonga azy ireo hanana tombambidy eo anatrehan’Andriamanitra ny fananany. Fandrika, fitaka avy amin’i Satana izany. Inona no tombony amin’ny rentirenty sy ny fisehosehoana etỳ ivelany? Inona no azon’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny fireharehana sy ny fampanaranam-po ny tenany? “Inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny airy? Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy?” — Mat. 16:26. Mandalo fotsiny ihany ny haren’izao tontolo izao. Amin’ny alalan’i Kristy irery ihany no hahazoantsika harena mandrakizay. Mihoatra ny vinavina rehetra ny harena izay omeny Rehefa nahita an’Andriamanitra ianao, dia lasa manan-karem- be amin’ny alalan’ny fibanjinana ny hareny. “Izay tsy mbola hitan'ny maso ary tsy mbola ren'ny sofina, na niditra tao am-pon'ny olona, na inona na inona no efa namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia Azy.” 1 Kôr. 2:9.TF 91.1

    Apetraho amin’ny tenanao ity fanontaniana ity: Inona no ataoko amin’ireo talenta nomen’ny tompo ahy? Mametraka ny tenanao eo amin’ny toerana izay ampiharana ireto teny ireto aminao ve ianao: “Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao?” - Mal. 3:9.TF 91.2

    Isika dia velona amin’ny fotoana izay isian’ny tombony fanararaotra lehibe sy anankinana zavatra masina amintsika, fotoana izay amaritana ny hoavintsika mandrakizay, na ho amin’ny fiainana, na ho amin’ny fahafatesana. Andao isika hisaina tsara indray. Ianareo izay milaza ho zanak’Andriamanitra, ento ho ao amin’ny trano firaketany ny ampahafolonareo. Ataovy an-tsitrapo sy betsaka ny fanatitrareo, araka izay anambinan’Andriamanitra anareo. Tsarovy fa nanankinan’ny Tompo talenta ianareo, izay tokony hampitomboinareo amim-pahazotoana ho Azy Tsarovy ihany koa fa tsy maka ny voninahitra ho an’ny tenany ny mpanompo mahatoky. Atolotra ho an’ny Tompo avokoa ny dera sy ny voninahitra: nomenao ahy ny fanananao. Tsy nisy vola niditra raha tsy nisy petra-bola aloha, Tsy nisy zanabola raha tsy nisy ny renivola. Naloan’ny Tompo mialoha ny renivola. Avy Aminy ny fahombiazana eo amin’ny fandraharahana, ka Azy irery ihany ny voninahitra.TF 92.1

    Raha mba mankatò ny fampianaran’ny fahamarinana mantsy ireo izay mahafantatra izany! Nahoana ny olombelona no tena jamba, kanefa dia mijoro eo amin’ny sisin’ny tontolo mandrakizay izy ireo? Tsy misy tsy fahampiana hoenti-manana izany eo amin’ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito, amin’ny kapobeny. Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito maro anefa no tsy mahatsapa ny andraikitra mipetraka eo amin’izy ireo, dia ny hiara-miasa amin’Andriamanitra sy amin’i Kristy eo amin’ny famonjem-panahy. Tsy asehon’izy ireo akory fa liana fatratra Andriamanitra manoloana izao tontolo izao. Tsy hararaotin’izy ireo amin’ny fahafenony ny tombontsoa omena azy ireo. Nahatratra ny fiangonana ny habokan’ny fitiavan-tena. Hanasitrana ny fiangonana amin’io areti- mandoza io ny Tompo Jesôsy Kristy raha te ho sitrana izy. Hita ao amin’ny toko fahavalo amby dimampolo amin’ny bokin’i Isaià ny fanafody. - RH, 10 Des. 1901.TF 92.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents