Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nahoana no tsy Mirotsaka amin’ny Olona Sasany ny Fitahiana

    Faingàna, ry ranadahiko sy rahavaviko, mba hitondra ampahafolony feno fahatokiana eo anatrehan’Andriamanitra, sy hitondra fanati-pisaorana an-tsitrapo eo anatrehany ihany koa. Olona maro no tsy ho voatahy raha tsy efa namerina ny ampahafolony izay nohazoniny izy ireo. Miandry anareo mba hanonitra ny lasa Andriamanitra. Mitsotra eo amin’ny fanahy tsirairay izay migoka ny tombontsoa avy amin’Andriamanitra ny tanany masina. Aoka ireo izay nihazona ny ampahafolony hanao kajy marina, ka hitondra eo amin’Andriamanitra izay norobainy tamin’ny asany. Aloavy izay norobainareo, ary mitondrà fanati-pihavanana eo amin’ny Tompo: “Aoka hifikitra amin'ny heriko kosa izy ka hihavana amiko; Eny, aoka hihavana amiko izy.” - Isa. 27:5. Raha tsapanao fa nanao hadisoana ianao noho ny nanodinkodinanao ny fananany, ka mibebaka an-tsitrapo sy amin’ny fahafenoany, dia hamela ny fahadisoanao Izy. - RH, 10 Des. 1901.TF 94.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents