Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 19 - Maka Ny Vola Natokan’ Andriamanitra Ho Azy

    Vao haingana izay dia nomen’ny Tompo teny vavolombelona manokana hoentina aho, mahakasika ireo fampitandremana sy ireo teny fikasana nomeny tamin’ny alalan’i Malakia. Rehefa avy niresaka mazava tamin’ny fiangonana tany Sydney [Aôstralia] aho, ka niakanjo tao amin’ny efitrano fiakanjoana, dia nipetraka tamiko ny fanontaniana hoe: “Ranabavy White, araka ny hevitrao, tokony handoa ampahafolony ve ny raiko? Nianjadiam-pahavoazana be izy tato ho ato, ka milaza fa vantany vao ho voafafany avokoa ny trosany rehetra, dia handoa ampahafolony izy.” Hoy aho nanontany: “Ahoana no fahitanao ny adidinao amin’Andriamanitra, izay manome antsika aina sy fofon’aina, sy mampigoka antsika ireo fitahiana rehetra? Tianao hitombo hatrany hatrany ve ny trosanao amin’Andriamanitra? Horobainao ve Izy amin’ny ampahany izay tsy nomeny antsika na oviana na oviana mba hampiasaina amin’ny tanjona hafa, ankoatra ny fampandrosoana ny asany, ny fanohanana ireo mpanompony eo amin’ny asa fanompoana? Ho valin’ny fanontanianao, dia manontany ny mpaminany Malakia hoe: “Handroba an'Andriamanitra va ny olona? (...) Nefa hoy hianareo: Amin'inona moa no androbanay Anao?” - tahaka ny hoe niniana natao ny tsy hahatakatra ny tian- kambara eto. Tonga ny valinteny: “Amin'ny fahafolon-karena sy ny fanatitra. Voaozona amin'ny ozona hianareo nefa Izaho no robainareo, dia izao hianareo rehetra iray firenena izao.” - Mal. 3:8-10. Aorian’ny fanambàrana tahaka izany, dia ho sahiko ve ny hilaza aminao hoe: tsy mila mandoa ampahafolony ianao raha mbola ao anatin’ny trosa? Hilaza aminao va aho hoe: aoka ho azonao antoka fa voaloanao avokoa izay rehetra tokony haloanao amin’ny olona, na dia mandroba an’Andriamanitra aza ianao amin’ny fanaovanao izany?TF 100.1

    Raha toa ka mandray ny Soratra Masina araka izay fivakiny mihitsy ny rehetra, ka hanokatra ny fony mba hahatakarany ny tenin’ny Tompo, dia tsy hilaza mihitsy izy ireo hoe: “Tsy azoko tsara ny resaka momba ny ampahafolony. Tsy fantatro raha toa ka tokony handoa ampahafolony aho amin’izao toe- java-misy eo amiko izao.” “Handroba an’Andriamanitra va ny olona?” Voambara mazava tsara ny vokatry ny fanaovana izany, ka tsy hanao kinanga amin’izany aho. Ireo rehetra izay handray fanapahan-kevitra amin’ny fony rehetra ny hankatò an’Andriamanitra; izay tsy haka ny vola natokana ho an’Andriamanitra - ny volan’Andriamanitra madiodio - mba handoavana ny trosany; izay hamerina amin’ny Tompo ny ampahany izay takiny ho an’ny Tenany manokana, dia handray ny fitahian’Andriamanitra izay ampanantenaina ny rehetra mankatò Azy. - STBCC, tt. 9,10 [Aog. 1896].TF 101.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents