Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 20 - Ny Valiny Asetrin’ny Feon’ny Fieritreretana Mifoha

    Nisy fivoarana miharihary hita teo amin’ny aim-panahy, ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, ny fiantrana, ary ny asa, vokatry ny fivoriana manokana natao tao amin’ny fiangonana (...). Nisy toriteny natao momba ny fahotana amin’ny fandrobana an’Andriamanitra eo amin’ny ampahafolony sy ny fanatitra (...).TF 103.1

    Maro no nitsotra fa tsy nandoa ampahafolony nandritra ny taona maro; nefa fantatsika fa tsy afaka mitahy ireo izay mandroba Azy Andriamanitra, ary tsy maintsy ho sahirana ny fiangonana, vokatry ny fahotan’ireo mpino tsirairay ao aminy. Misy anaran’olona betsaka ao amin’ny bokim- piangonantsika; ka raha samy dodona ny rehetra amin’ny fandoavana ampahafolony marina amin’ny Tompo, izay anjarany, dia tsy ho ory hoenti-manana ny firaketana (...).TF 103.2

    Rehefa naseho ny fahotana amin’ny fandrobana an’Andriamanitra, dia hitan’ny olona mazava kokoa ny adidiny sy ny tombontsoany eo amin’io resaka io. Nisy anadahy iray nilaza fa tsy nandoa ny ampahafolony nandritra ny roa taona izy, ka tena kivy tokoa. Rehefa niaiky ny fahotany anefa izy, dia nanomboka nanam-panantenana indray. Hoy izy nanontany: “Inona no tokony hataoko?”TF 103.3

    Hoy aho: “Manaova fanambaràna an-tsoratra ho an’ny mpitahiry volan’ny fiangonana; hahomby kokoa izany.”TF 103.4

    Nihevitra izy fa fangatahana hafahafa tokoa izany; saingy nipetraka izy, ka nanomboka nanoratra: “Noho ny vola voaray, dia manome toky aho ny handoa (...)” Nitraka izy, tahaka ny miteny hoe: Io ve no fomba sahaza anoratana fanambaràna amin’ny Tompo?TF 104.1

    “Eny”, hoy izy nanohy, “noho ny vola voaray. Tsy nandray ny fitahian’Andriamanitra isan’andro isan’andro tokoa moa aho? Tsy niaro ahy va ny anjely? Tsy nitahy ahy tamin’ny fitahiana ara-panahy sy fitahiana eto an-tany va ny Tompo? Noho ny vola voaray, dia manome toky aho fa handoa 571,50 dôlara any amin’ny mpitahiry volan’ny fiangonana.” Lasa lehilahy sambatra izy rehefa avy nanao izay rehetra azony natao. Andro vitsivitsy taorian’izay dia nalainy ny fanambaràna nataony, ka naloany tao amin’ny firaketana ny ampahafolony. Nanolotra fanomezana ho amin’ny Krismasy izay nitentina 125 dôlara ihany koa izy.TF 104.2

    Nisy anadahy iray nanao taratasy fanambaràna fa handoa 1 000 dôlara, nanantena ny hanefa izany ao anatin’ny herinandro vitsivitsy izy; ary nisy iray koa nanao taratasy fanambaràna fa handoa 300 dôlara. - RH, 19 Feb. 1889.TF 104.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents