Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 21 - Ny Fampiasana Ny Ampahafolony

    Nanome toromarika manokana momba ny fampiasana ny ampahafolony Andriamanitra. Tsy nokendren’Andriamanitra handringa noho ny tsy fahampiana hoenti-manana ny asany. Mba tsy hisian’ny asa atao alasafay sy tsy hisian’ny fahadisoana, dia napetraka mazava tsara ny adidintsika mikasika ireo resaka io. Ny ampahany izay natokan’Andriamanitra ho Azy manokana dia tsy azo ahodina ho amin’ny tanjona hafa, ankoatra izay namaritany azy. Aoka tsy hisy hahatsiaro tena ho afaka hihazona malalaka ny ampahafolony ka hampiasa izany araka ny fìsainany manokana. Tsy azon’izy ireo ampiasaina ho an’ny tenany noho ny hamehana izany, na arindrany araka izay hitany fa maha-mety azy, na dia amin’izay mety heveriny ho asan’ny Tompo aza.TF 110.1

    Tokony hampianatra ny olona amin’ny alalan’ny fitsipika sy ny ohatra ny mpitandrina mba handray ny ampahafolony ho masina. Tsy tokony hihevitra izy fa afaka mihazona na mampiasa izany araka ny fisainany, satria mpitandrina izy. Tsy azy izany. Tsy afaka mampiasa ho an’ny tenany izay heveriny fa tokony haloa aminy izy. Tsy tokony hankasitrahany ny drafitra mikendry ny hampiviliana ny ampahafolony sy ny fanatitra natokana ho an’Andriamanitra tsy hanao ny asany ara-dalàna. Tsy maintsy harotsaka ao amin’ny firaketany izany, ka hohazonina ho masina amin’ny asa fanompoana araka izay notendreny.TF 110.2

    Tian’Andriamanitra hanaraka tsara ny toromarika omeny ny mpitantana notendreny. Tsy azon’izy ireo ovaina ny drafitr’Andriamanitra, na amin’ny alalan’ny fanaovana asa fiantrana, na amin’ny alalan’ny fanolorana fanomezana na fanatitra, na dia heveriny na hitan’izy ireo, izay olombelona fitaovana, aza fa sahaza izany. Tena fanao ratsy indrindra ho an’ny olombelona ny miezaka manatsara ny drafitr’Andriamanitra, ka mamorona vonjy fahasahiranana, izay hamarininy araka ny fihetseham-pony manoloana ny trangan-javatra iray, sy anoloany ny fitakian’Andriamanitra. Miantso ny olona rehetra Andriamanitra mba hankasitraka ny fandaminany manokana. Nampahafantariny ny drafiny; ary tsy maintsy manatanteraka io drafitra io izay rehetra maniry ny hiara-miasa Aminy, fa tsy ho sahisahy hiezaka hanatsara izany.TF 110.3

    Toy izao no toromarika nomen’ny Tompo an’i Mosesy, ho an’ny Isiraely: “Mandidia ny Zanak'Isiraely hitondra aminao diloilon'oliva tsara voavely hatao fanazavana, mba hampirebetana jiro mandrakariva.”- Eks. 27:20. Natao ho fanatitra tsy mitsahatra izany, mba hahazo araka ny tokony ho izy izay ilaina ho amin’ny asa fanompoana Azy ny tranon’Andriamanitra. Tokony hotsarovan’ny vahoakany amin’izao fotoana izao fa fananan’ny Tompo ny trano fivavahana, ka tsy maintsy karakaraina tsara izany. Tsy tokony ho avy amin’nyampahafolony anefa ny vola hanaovana io asa fikarakarana io.TF 111.1

    Nisy hafatra mazava sy hentitra nomena ahy ho an’ny vahoakantsika. Nobaikoina aho mba hilaza amin’izy ireo fa manao fahadisoana izy ireo amin’ny fandrindrana ny ampahafolony ho amin’ny drafitra samy hafa izay, na dia tsara aza, dia tsy ny drafitra izay nolazain’ny Tompo fa tokony handrindrana ny ampahafolony. Miala amin’ny fandaminan’ny Tompo ireo izay mampiasa ny ampahafolony tahaka izany. Hitsara izany zavatra izany Andriamanitra.TF 111.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents