Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 22 - Ny Fanabeazana Omen’ny Mpitandrina Sy Ny Pandraharaha Ao Amin’ny Fiangonana

    Ireo izay mirotsaka hanao ny asan’ny mpitandrina dia manana andraikitra miezinezina eo an-tsorony, izay mahagaga fa nohamaivanina loatra. Misy tena tia mitory teny, saingy tsy manao asa manokana ho an’ny fiangonana izy ireo. Tena ilaina ny toromarika momba ny adidy sy ny andraikitra amin’Andriamanitra, indrindra mikasika ny fandoavana ampahafolony araka ny tokony ho izy. Ho tezitra sy halahelo ireo mpitandrina raha toa ka tsy mandray ny tambin’ny asany avy hatrany izy ireo; saingy mba tonga ao an-tsain’izy ireo ve fa tsy maintsy misy hanina aloha ao amin’ny trano firaketan’Andriamanitra mba hanohanana ny mpiasa? Raha toa ka tsy vitan’izy ireo ny manatanteraka ny adidiny rehetra eo amin’ny fanabeazana ny olona ho mahatoky amin’ny fandoavana izay an’Andriamanitra, dia tsy hisy hoenti-manana hamitana ny asan’ny Tompo ao amin’ny firaketana.TF 114.1

    Tokony hamita ny adidiny amim-pahatokiana ny mpiambina ny andian’ondrin’Andriamanitra. Raha toa ka mihevitra izy fa tsy mahafinaritra azy izany, ka havelany hataon’olon-kafa, dia tsy mpiasa mahatoky izy. Aoka izy hamaky ao amin’ny bokin’i Malakia fa manameloka ny olona ho mandroba an’Andriamanitra ny tenin’ny Tompo noho ny fihazonan’izy ireo ny ampahafolony Izao no fanambaràn’Andriamanitra mahery: “Voaozona amin’ny ozona hianareo” — Mal. 3:9. Raha toa ka hitan’izay mikely aina amin’ny teny sy ny fampiarana fa manaraka lalana izay hitondra ozona eo amin’izy ireo ny olona, dia ahoana no mbola ahafahany manao tsirambina ny adidiny eo amin’ny fanomezana toromarika sy fampitandremana azy ireo? Tokony hampianarina ny ho mahatoky eo amin’ny fandoavana ampahafolony marina ny mpino tsirairay ao amin’ny fiangonana. - 9T 250, 251.TF 114.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents