Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mampianatra ireo Vao Niova Fo

    Tsy tokony hamela na oviana na oviana ampahan’asa tsy vita ny mpiasa iray, satria ataony fa tsy mahafinaritra ny manao izany, ka hieritreritra fa hanao izany ho azy ny mpitandrina ho tonga manaraka eo. Raha izany no zava- misy, rehefa handimby ilay mpitandrina voalohany ny mpitandrina manaraka, ka haneho ny fitakian’Andriamanitra amin’ny olony, dia hisy hihemotra, ka hilaza hoe: “Tsy nilaza ireo zavatra ireo ny mpitandrina izay nitondra ny fahamarinana taminay.” Ary tafintohina izy ireo noho izany teny izany. Misy olona sasany tsy mety manaiky ny rafitra momba ny ampahafolony; hisintaka izy ireo, ka tsy hiara- mandeha amin’ireo izay mino sy tia ny fahamarinana intsony. Rehefa misy lohahevitra hafa velarina eo anoloan’izy ireo, dia hamaly izy ireo hoe: “Tsy tahaka izany no nampianarina anay”, ka dia misalasala ny handroso izy ireo. Ho tsara lavitra kokoa nanao ahoana re ny zavatra niseho raha toa ka nampianarin’ilay mpitondra hafatry ny fahamarinana voalohany tamim-pahatokiana sy tamim-pitandremana ny lohahevitra manan-danja ireo vao niova fo ireo, na dia mety hampihena kokoa ny isan’ny ho vita batisa aza izany. Ho faly kokoa Andriamanitra hahita olona enina niova fo tanteraka ho amin’ny fahamarinana toy izay hahita olona enimpolo manao fanekem-pinoana kanefa tsy tena niova fo marina.TF 115.1

    Ampahany amin’ny asan’ny mpitandrina ny mampianatra ireo izay nanaiky ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny ezaka nataony mba hitondra ny ampahafolony ho ao an-trano firaketana, ho mariky ny fiankinany amin’Andriamanitra. Tokony hohazavaina amin’ny fahafenoany amin’ireo vao niova fo ny adidiny eo amin’ny famerenana amin’ny Tompo ny anjarany. Tena mazava ny baiko momba ny fandoavana ny ampahafolony ka tsy misy fialan-tsiny azo ekena ny amin’ny fanaovana tsirambina ny fankatoavana izany. Mamela ny ampahany manan-danja indrindra amin’ny asany tsy ho vita izay manamaivana ny fanomezana toromarika mikasika io lohahevitra io.TF 116.1

    Tsy maintsy raiketin’ny mpitandrina ao an-tsain’ny olona ihany koa ny maha-zava-dehibe ny fitondrana entana hafa izay mifandraika amin’ny asan’Andriamanitra. Tsy misy olona afaka amin’ny asa fanaovan-tsoa. Tsy maintsy ampianarina ny olona fa tokony hahazo ny fanohanany sy handray ny fahalianany ny sampana tsiraray amin’ny asan’Andriamanitra. Misokatra eo anoloantsika ny saha misiônera lehibe, ka tsy maintsy hetsehina, ary hetsehina hatrany hatrany io lohahevitra io. Tsy maintsy atao izay hahatakaran’ny olona fa tsy ireo mpihaino ny teny no hahazo ny fiainana mandrakizay, fa ireo mpankatò ny teny. Ary tsy maintsy ampianarina ihany koa izy ireo fa ireo izay tonga mpiombona amin’ny fahasoavan’i Kristy dia tsy hoe tsy maintsy manolotra ny fananany ho fampandrosoana ny fahamarinana fotsiny ihany, fa tsy maintsy manolotra manontolo ny tenany tsy misy tambiny ho an’Andriamanitra ihany koa izy ireo. - GW 369-371.TF 116.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents