Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fizarana 4 — Araka Ny Fahafahan’ny Olona Tsirairay No Anomezana Azy

    Toko 23 - Ireo Foto-Kevitry Ny Fi'i'an'i'anam-Piainana Kristianina

    Mba mandinika amim-pitandremana sy amim-bavaka ny Tenin’ Andriamanitra isam-batan’olona ve isika, fandrao hiala amin’ireo fitsipiny sy ireo fitakiany? Tsy hijery amim- pifaliana antsika ny Tompo raha toa ka mihazona zavatra, na kely na lehibe, izay tokony haverina Aminy isika. Raha toa ka alaim-panahy handany vola mba hanomezana fahafaham-po ireo fironantsika manokana isika, dia andao hieritreritra ny soa azontsika atao amin’izany vola izany. Andao hanokana vola kely sy vola be ho an’ny Mpampianatra isika, mba hiorenan’ny asa any amin’ny toerana vaovao. Raha toa ka laniantsika amim-pitiavan-tena ny vola izay tena ilaina tokoa, dia tsy hitahy antsika, ary tsy afaka hitahy antsika, ny Tompo.TF 119.1

    Mikirakira ny volan’ny Tompo isika, amin’ny maha- mpitandrina ny fahasoavan’Andriamanitra antsika. Zava- dehibe, tena zava-dehibe ho antsika ny ho hatanjahan’ny haren’ny fahasoavany isan’andro isan’andro, sy ny hampiana mba hahatakatra ny sitrapony, ary ny ho hita mahatoky eo amin’izay kely sy eo amin’izay be ihany koa. Ho zava- misy ho antsika ny fanompoana an’i Kristy rehefa io no fanandramantsika. Mitaky izany amintsika Andriamanitra, ka tokony haneho ny fankasitrahantsika noho izay nataony ho antsika isika, eo anatrehan’ny anjely sy ny olona. Tokony hasehontsika amin’ny fiderana sy amin’ny asam- pamindrampo ny fahatsaran’Andriamanitra amintsika (...).TF 119.2

    Tsapan’ny mpino rehetra ao am-piangonana ve fa nomena azy mba hampiasainy sy hampitomboiny ho voninahitr’Andriamanitra izay rehetra ananany? Mihazona firaketana marina ho an’ny olombelona tsirairay eto amin’izao tontolo izao Andriamanitra. Ary rehefa tonga ny andron’ny fampamoahana, dia tsy mandray laza ho an’ny tenany ny mpitantana mahatoky. Tsy miteny izy hoe: “Ny farantsako”, fa hoe: “Ny farantsanao iray efa nahazoana” farantsa hafa. Fantany fa tsy nisy tombony ho azo raha tsy nisy ilay fanomezana nankinina taminy. Tsapany fa tsy nanao afa-tsy ny adidiny ihany izy raha nanatontosa tamim- pahatokiana ny fitantanany. An’ny Tompo ny renivola, ary afaka nampitombo izany tamim-pahombiazana izy noho ny heriny. Ny anarany irery ihany no tokony hankalazaina. Fantany fa ho maty antoka mandritra ny mandrakizay izy raha tsy nisy ilay renivola nankinina taminy.TF 120.1

    Amim-pahatairana no andraisana ny fankasitrahan’ny Tompo, satria tena tsy ampoizina izany. Saingy hoy i Kristy aminy: “Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.” - RH, 12 Sept. 1899.TF 120.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents