Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 24 - Ny Talentantsika

    Raha azo tsara ny fanoharana momba ny talenta, dia hanafoana ny fieremana izany, izay antsoin’Andriamanitra hoe fanompoan-tsampy. - 3T 387.TF 123.1

    Nampindramin’Andriamanitra talenta ny olona — dia fahaizana mba hamorona, fo mba ho foiben’ny seza fiandrianany, fitiavana mba hikoriana ho fitahiana ny hafa, feon’ny fientreretana mba hampiaiky ny fahotana. Samy naharay zavatra avy tamin’ny Tompo ny tsirairay avy, ka tsy maintsy manatanteraka ny anjarany eo amin’ny fanomezana izay ilain’ny asan’Andriamanitra.TF 123.2

    Tian’Andriamanitra ny mpiasany raha handray Azy ho toy ny Mpanome izay rehetra ananan’izy ireo, sy hahatsiaro fa izay rehetra azy sy ny maha-izy azy rehetra dia avy Aminy izay mahagaga amin’ny fisainana sy mahatalanjona amin’ny fahendrena. Ny fikasihana malefaky ny tanan’ny mpitsabo, ny fahefany amin’ny retsi-pandre sy ny hozatra, ny fahalalany momba ireo taova sarobidy eo amin’ny tena, izany rehetra izany dia fahendren’ny herin’Andriamanitra, nomena hampiasaina mba hanamaivana ny mijaly. Ny fahaizan’ny mpandrafitra mampiasa ny tantanana, ny hery entin’ny mpanefy vy hampikarantsana ny riandriana, dia avy amin’Andriamanitra. Nanankina talenta amin’ny olona Izy ary manantena azy ireo hidodododo hangataka torohevitra avy Aminy ho setrin’izany. Amin’izay dia afaka mampiasa ny fanomezany amim-pahaizana maty paika izy ireo, ka hijoro ho vavolombelona fa mpiara-miasa amin’Andriamanitra.TF 123.3

    Talenta ny fananana. Mandefa ity hafatra ity amin’ny olony ny Tompo: “Amidio ny fanananareo, ka manaova fiantrana ” An’ny Tompo avokoa izay rehetra ananantsika, tsy misy adihevitra. Miantso antsika Izy mba hifoha ka handray anjara amin’ny fìtondrana ny enta-mavesatry ny asany, mba hahomby io asany io. Tsy maintsy manatanteraka ny anjara amin’ny maha-mpitantana mahatoky ny Krisdanina tsirairay. Mahitsy sy marina ny fomba fiasan’Andriamanitra, ka tokony hampitombointsika ny denariantsika sy ny farantsantsika, dia haverintsika Aminy ny fanati-tsitrapo avy amintsika mba hanohanana ny asany, ka hitondrana fanahy ho eo amin’i Kristy.TF 124.1

    Tokony hisy vola be sy kely harotsaka ao amin’ny firaketan’ny Tompo (...). Talenta ny fahaiza-miteny. Amin’ireo fanomezana rehetra natolotra ny fianakaviamben’ny olombelona, dia tsy misy tokony hankasitrahana mihoatra noho ny fahaizana miteny. Tokony hampiasaina mba hanambaràna ny fahendren’Adriamanitra sy ny fitiavany mahagaga izany. Tahaka izany no hampitana ny haren’ny fahasoavany sy ny fahendreny.TF 124.2

    Aseho amin’ny alalan’ny teny fa mitoetra ao anaty ny Mpamonjy. Ny Fanahy Masina anefa dia tsy mitoetra ao am-pon’ireo izaymora sorena sy tezitra avy hatrany raha vao tsy manaiky ny heviny sy ny drafiny ny hafa. Fanamarihana manindrontsindrona no avy eo amin’ny molotry ny olona tahaka izany, izay mampalahelo ny Fanahy, sy mikolokolo kokoa ny toetran’i Satana fa tsy ny toetran’Andriamanitra. Irin’Andriamanitra ny hitenenan’ireo izay mifandray amin’ny asany amin’nyfahalemem-panahin’i Kristy mandrakariva. Aza misendaotra raha toa ka misy mandranitra anao. Asehoy ny fandeferana izay nanomezan’i Kristy ohatra ho antsika teo amin’ny fiainany (...).TF 124.3

    Talenta ny hery, ka tokony hampiasaina hanomezana voninahitra an’Andriamanitra. Azy ny tenantsika. Nandoa ny saran’ny fanavotana ho an’ny tena sy ho an’ny fanahy ihany koa Izy (...). Afaka manompo an’Andriamanitra kokoa isika ao anatin’ny tanjaky ny fahasalamana noho ny ao anatin’ny rofin’ny aretina; koa tokony hiara-miasa amin’Andriamanitra isika eo amin’nyfikarakarana ny tenantsika. Tena zava- dehibe ho an’ny fiainana sy ho an’ny fahasalamana ny fitiavana an’Andriamanitra. Tena zava-dehibe ho an’ny fahasalamana koa ny finoana an’Andriamanitra. Mba hananana fahasalamana tanteraka, dia tsy maintsy fenoina ny fitiavana sy ny fanantenana ary ny fifaliana ao amin’ny Tompo ny fontsika (...).TF 125.1

    Talenta ny hery miasa mangina, ary hery ho amin’ny tsara izany rehefa entina eo amin’ny fanompoantsika ny afo masina izay narehitr’Andriamanitra. Tsapa ao an- tokantrano sy any ivelany ny hery miasa manginan’ny fiainana masina. Ny fahalalan-tanana iainana sy ny fandavan-tena ary ny fanoloran-tena, izay manamarika ny fiainan’ny olona iray, dia manana hery miasa ho amin’ny tsara eo amin’izay ifaneraserany (...).TF 125.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents