Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 25 - Ireo Andraikitr’ilay Lehilahy Nahazo Talenta Iray

    Ny sasany amin’ireo izay tsy nanankinana afa-tsy talenta anankiray dia manala tsiny ny tenany satria tsy manana talenta maro tahaka ireo izay nanankinana talenta maro izy ireo. Alevin’izy ireo any ambanin’ny tany ilay talenta anankiray, tahaka ny nataon’ilay mpitantana tsy mahatoky. Matahotra izy ireo ny hamerina amin’Andriamanitra izay nankininy tamin’izy ireo. Mirotsaka an-tsehatra feno amin’ny raharahan’izao tontolo izao izy ireo, fa kely kosa, mba tsy hilazana hoe tsy misy mihitsy aza, no atolony ho an’ny asan’Andriamanitra. Ireo izay manana talenta betsaka no andrandrainy hitondra ny enta-mavesatry ny asa, izy ireo kosa mahatsiaro ho tsy tompon’andraikitra amin’ny fahombiazana sy ny fandrosony (...).TF 129.1

    Maro amin’ireo izay milaza fa tia ny fahamarinana no manao tahaka izany mihitsy. Mamitaka ny fanahiny ihany izy ireo; satria najambain’i Satana ny masony. Nandroba ny tenany kokoa izy ireo tamin’ny nandrobany an’Andriamanitra. Manala ny tenany tsy handray ny haren’ny lanitra izy ireo, noho ny fieremany, sy noho ny fony ratsy feno tsy finoana.TF 129.2

    Satria tsy manana afa-tsy talenta anankiray izy ireo, dia matahotra ny hatoky izany miaraka amin’Andriamanitra, ka dia aleviny ao ambanin’ny tany ilay talenta tokana. Mahatsiaro ho afaka andraikitra izy ireo. Tian’izy ireo ny mahita ny fahamarinana miroborobo, saingy tsy eritreretiny fa asaina maneho fandavan-tena sy manampy eo amin’ny asa amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny tenany manokana sy amin’ny fananany izy ireo, na dia tsy manana betsaka amin’izay aza izy (...).TF 129.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents