Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Nanankinana Talenta Avokoa ny Rehetra

    Nanankinan’ny Tompo talenta avokoa ny rehetra, na ny manana toerana ambony na ny manana toerana ambany, na ny manan-karena na ny mahantra; ny sasany nomeny talenta betsaka, ny sasany kosa kely, arakaraka ny fahafahany. Hitoetra eo amin’ny mpiasa matotra sy be fitiavana ary mazoto ny fitahian’ny Tompo. Hahomby ny petra-karena ataon’izy ireo, ka hahazo fanahy ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra, sy harena tsy mety levona ho an’ny tenany Fitaovana ara-panahy avokoa ny rehetra, ary nanankinana ny haren’ny lanitra. Arakaraka ny fahaiza- manaon’ny tsirairay ny habetsahan’ny talenta omena azy.TF 130.1

    Samy nomen’Andriamanitra ny anjara raharahany avy ny olona tsirairay, ka miandry zavatra miverina Aminy arakaraka ireo andraikitra nankininy tamin’izy ireo Izy. Tsy mitaky zana-bola avy amin’ny talenta folo avy amin’ny olona izay tsy nomeny afa-tsy talenta iray izy. Tsy miandry ny mahantra hanao fiantrana tahaka izay ataon’ny olona manan-karena Izy Tsy miandry avy amin’ny farofy sy ny mijaly ny hetsika sy ny tanjaka ananan’ny olona tomady izy. Hoeken’Andriamanitra ny talenta anankiray, raha toa ka ampiasaina amin’ny fara tampony, ka “araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.”TF 130.2

    Antsoin’Andriamanitra hoe mpanompo isika, izay midika fa ampiasainy isika mba hanao asa manokana, sy hiantsoroka andraikitra. Nampindraminy petra-bola isika mba hampitombointsika. Tsy fananantsika izany; ary tsy faly amintsika Andriamanitra raha toa ka ampirimintsika fotsiny ny fananan’Andriamanitra fa tsy ampitombointsika, na koa laniantsika araka izay safidintsika. Tompon’andraikitra amin’ny fampiasana na amin’ny fanararaotana atao amin’izay nampindramin’Andriamanitra antsika isika. Raha toa ka mipetra-potsiny na alevintsika any ambanin’ny tany io petra-bola napetraky ny Tompo teo am-pelatanantsika io, na dia talenta iray fotsiny ihany aza izany, dia hantsoina ka hampamoahina eo anatrehan’ny Tompo isika. Mitaky ny Azy, fa tsy ny antsika, mban-janany Izy.TF 130.3

    Hodinihina akaiky tsara ny talenta tsirairay miverina amin’ny Tompo. Tsy horaisina ho toy ny zavatra kimaivamaivana ny zava-bitan’ny mpanompon’Andriamanitra sy ny andraikitra nankinina taminy. Hampanatonina isam- batan’olona ny tsirairay, ka hasaina manao tatitra ny amin’ny talenta nankinina taminy, na nampitomboina izany na nohararaotiny fotsiny Arakaraka ny talenta nampitomboina ny valisoa homena. Arakaraka ny talenta nohararaotina koa ny famaizana horaisina. - RH, 23 Feb. 1886.TF 131.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents