Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Talenta Tsy Nampitomboina

    Vonona ny hanolotra arakaraka izay ananany ny sasany, ka mihevitra fa tsy manana fitakiana hafa amin’izy ireo intsony Andriamanitra, satria tsy manan-komena betsaka izy ireo. Tsy manana vola miditra hafa izay azony hatokana rehefa avy nesorina ireo zavatra ilain’ny fianakaviany izy ireo. Misy olona maro amin’io saranga io anefa afaka mametraka ity fanontaniana ity amin’ny tenany: Manolotra araka izay tokony ho natolotra ve aho? Nokendren’Andriamanitra mba hampiasaina ireo herim-batany sy herin-tsainy. Misy olona sasany tsy nampitombo tamin’ny fatrany ambony indrindra ny fahaizana nomen’Andriamanitra azy ireo. Nozaraina tamin’ny olona ny fisasarana. Nifandray tamin’ny ozona izany, satria lasa nilaina noho ny fahotana. Mitaky fiainana misy asa mahavokatra ny fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina ary ara-panahin’ny olona. “Mazotoa, fa aza malaina”, hoy ny baikon’ilay apôstôly nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra, dia i Paoly izany.TF 132.2

    Tsy misy olona, na manan-karena na mahantra, afaka mankalaza an’Andriamanitra amin’ny fiainana feno fahalaindainana. Ny fotoana sy ny tanjaka ara-batana no petra-karena ananan’ny mahantra maro, kanefa dia matetika izany no lanilaniana foana amin’nyfitiavana ireo zavatra mahafaly azy sy amin’ny fahalainana omban’ny tsy firaihana, ka tsy manana ampahafolony sy fanatitra hoentina eo anatrehan’ny Tompony izy ireo. Raha misy Kristianina tsy ampy fahendrena ka tsy manao izay hampamokatra amin’ny fatrany ambony indrindra ny asany, sy tsy mampiasa amin’ny fomba voalanjalanja ny heriny ara-batana sy ara-tsaina, dia tokony hanana saina malemy fanahy sy tsy miavona am-po izy ireo ka handray ny torohevitra sy ny torolalana omen’ireo rahalahiny, mba hanampy ny fahabangana ao aminy ny fahaizan’ireo rahalahiny mandanjalanja kokoa. Mahantra maro izay mianina amin’ny tsy fanaovana na inona na inona ho amin’ny mahasoa ny mpiara-belona aminy sy ho amin’ny fampandrosoana ny asan’Andriamanitra no afaka manao zavatra goavana raha tian’izy ireo izany Hampamoahina eo anatrehan’Andriamanitra noho ny amin’ny tanjany ara- batana izy ireo, tahaka ny hampamoahina ny mpanankarena noho ny amin’ny volany. - 3T 400.TF 133.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents