Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fahotana Lehiben’ireo Misora-Tena ho Kristianina

    Tokony hanao ny asan’Andriamanitra ho laharam- pahamehany voalohany ny olona tsirairay, na inona na inona asa sy raharahany. Tsy tokony hampiasa fotsiny ihany ny talentany hampandrosoana ny asan’ny Tompo izy, fatokony hikolokolo ny fahaizany ho amin’io tanjona io ihany koa. Olona maro no nandany volana sy taona maro mba hahazoana asa na raharaha, mba hahalasa azy ho mpiasa mahomby eo amin’izao tontolo izao; kanefa dia tsy manao ezaka manokana izy mba hikolokoloana ireo talenta izay hahatonga azy ho mpiasa mahomby eo amin’ny tanimboaloboky ny Tompo. Nosimbainy ny heriny, ary tsy nampiasainy araka ny tokony ho izy ny talentany. Tsy naneho fanajana ny Tompony any an-danitra izy. Io no fahotana lehibe ho an’ireo izay misora- tena ho vahoakan’Andriamanitra. Manompo ny tenany izy ireo, sady manompo izao tontolo izao. Mety hitondra ny anarana hoe mpandraharaha marani-tsaina sy mahomby izy ireo; saingy nanao tsirambina ka tsy nampitombo, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo talenta izay nomen’Andriamanitra ho amin’ny fanompoana Azy. Lasa natanjaka kokoa satria nampiasaina ny fahaizany teo amin’izao tontolo izao; lasa nalemy kosa ny fahaizany ara-panahy noho ny tsy fampihetsehana izany. - RH, 1 Jan. 1884.TF 136.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents