Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Fanambarana fa Fanatanterahana

    Rehefa hoentina hodinihina eo anatrehan’Andriamanitra ny fiainan’ny olona rehetra, dia tsy hapetraka mihitsy ny fanontaniana manao hoe: inona no nambaran’izy ireo, fa ny hoe: inona no nataon’izy ireo? Mpankatò ny teny ve izy ireo? Niaina ho an’ny tenany fotsiny ve izy ireo? Sa mba nanazatra ny tenany tamin’ny asa fanaovan-tsoa sy fahalemem-panahy ary fitiavana, ka nitia ny hafa mialoha ny tenany, sy nandà ny tenany mba hahafahany mitahy ny hafa?TF 142.2

    Raha maneho ny firaketana, fa voamariky ny halemem- panahy sy ny fandavan-tena ary ny fahalalahan-tanana ny toetran’izy ireo sy ny fiainan’izy ireo, dia handray ny toky feno fitahiana avy amin’i Kristy izy ireo, izay manao hoe: “Tsara izany”, “Avia hianareo izay notahin'ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao”. - Mat. 25:34.TF 143.1

    Nalahelo sy naratra i Kristy noho ny fitiavan-tenantsika hita miharihary sy ny tsy firaihantsika manoloana ny alahelo sy ny zavatra ilain’ny hafa. - RH, 13 Jol. 1886.TF 143.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents