Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Inona no Mahalanilany Foana ny Hoenti-Manana

    Petra-bola nankinin’Andriamanitra betsaka manao ahoana re no lanina amin’ny fividianana sigara, paraky, labiera ary toaka e! Noraran’Andriamanitra avokoa ireo fahafinaretana rehetra ireo satria manimba ny vatan’ny olombelona. Hataon’ny olombelona sorona amin’ny alalan’ny fitadiavany fahafinaretana ny fahasalamany, ary atolony eo ambonin’ny alitaran’i Satana mihitsy ny ainy. Mahatonga ny atidoha halemy ny hatendan-kanina manimba, ka tsy vitan’ny olona ny misaina mazava tsara sy ny maminavina drafitra momba ny raharaha eto an-tany izay hahomby; ary tsy vitan’izy ireo indrindra indrindra ny mampivelatra ny faharanitan- tsainy mba ho liana amin’ny zava-panahy. Tsy vitan’izy ireo ny manavaka ny zavatra masina sy mandrakizay, mba hametrahana azy ireo ho eo ambonin’ny zavatra tsotra sy miserana.TF 146.1

    Namorona fomba maro i Satana mba handanilaniana ireo hoenti-manana nomen’Andriamanitra. Ny filalaovana karatra, ny fanaovana fanamby, ny filokana, ny fifaninanana hazakazaka an-tsoavaly, ary ny fampisehoana isan-karazany dia samy zavatra noforoniny avokoa, ary nitarika olona maro mba hiroboka amin-kafanam-po ao amin’ireo famalifaliana ireo, tahaka ny hoe nahazo ho an’ny tenany ireo tombontsoa sarobidin’ny fiainana mandrakizay izy ireo. Mandany vola mihoapampana ny olona amin’ny fanarahana ireo fahafinaretana voarara ireo; ary vokatr’izany dia mitotongana sy mihasimba ny hery nomen’Andriamanitra azy ireo, izay novidina tamin’ny ran’ny Zanak’Andriamanitra. Ampiasaina amin-kafanam-po mba hanompoana an’i Satana sy hisarihana ny olona hiala amin’ny fahamarinana sy ny fahamasinana ny hery ara-batana sy ara-panahy ary ara-tsaina izay nomen’Andriamanitra ny olombelona, sy an’i Kristy.TF 146.2

    Vinavinaina avokoa ny zavatra rehetra izay mety ampoizina fa hampivily ny saina hiala amin’ny zavatra mendrika sy madio, ary efa ho tratra ny fetra rehefa ho simba tahaka ireo mponina teto amin’izao tontolo izao nialoha ny safodrano ny mponina eto an-tany (...)TF 147.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents