Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Liana amin’ny Fianakaviamben’ny Olombelona i Kristy

    Tonga teto amin’ny tontolontsika tao anatin’ny endrika olombelona ny tompon’ny harenantsika rehetra eto an-tany. Tonga nofo ny Teny, ka nonina teto amintsika. Tsy azontsika saintsainina ny halalin’ny fahalianana tsy maintsy nananany manoloana ny fianakaviamben’ny olombelona. Fantany ny tombambidin’ny fanahy tsirairay. Alahelo manao ahoana re no nampijaly Azy raha hitany fa sondriana amin’ny zavatra noforonin’i Satana ny lova novidiny e!TF 148.1

    Ny fahafinaretana tokana alain’i Satana amin’ny fanaovana ny lalaon’ny fiainana amin’ny fanahin’ny olona dia ny fahafinaretana nalainy tamin’ny nandratrany ny fon’i Kristy. Na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga mahantra kosa noho ny amintsika, mba hampanan-karena antsika ny fahantrany. Na dia eo anatrehan’io zava-misy lehibe io aza anefa, dia mbola avelan’ny ankamaroan’ny olona amin’izao tontolo izao hanamatroka ireo zavatra manintona any an- danitra ny fananana eto an-tany. Ampiraiketiny amin’ireo zavatry ny tany ny fony, ary dia miala amin’Andriamanitra izy ireo. Fahotana lehibe manao ahoana re izany hoe tsy mba tonga saina ny olombelona, ka hahatakatra fa tena hadalana ny famelana ny firaiketam-po mihoapampana amin’ny zavatry ny tany hanaisotra ny fitiavana an’Andriamanitra avy ao am-po! Rehefa miala ny fitiavana an’Andriamanitra, dia misosoka ao faingana ny fitiavana izao tontolo izao mba hameno ny banga. Ny Tompo irery ihany no afaka manadio ny tempolin’ny fanahy amin’ny fahalotoana ara-pitondran- tena.TF 148.2

    Natolotr’i Jesôsy ny ainy ho solon’ny ain’izao tontolo izao, ary omeny tombambidy tsy azo refesina ny olona. Maniry Izy ny mba hitiavan’ny olona ny tenany sy ny hiheverany ny fiadanany amin’ny hoavy. Raha hazonina ho tsara mandrakariva ny maso, dia hazava avokoa ny tena rehetra. Raha mahiratra ny fahitana ara-panahy, dia hojerena amin’ny tena tombambidiny ireo zava-misy tsy hita maso, ary dia hanampy fahafinaretana ho an’izao tontolo izao ny fibanjinana ny tontolo mandrakizay.TF 149.1

    Ho feno fifaliana arakaraka ny fahatokiany eo amin’ny fitantanana ny fananan’ny Tompony ny Kristianina. Maniry fatratra ny hamonjy ny zanaka lahy sy ny zanaka vavin’i Adama tsirairay i Kristy. Manandratra ny feony ao anatin’ny fampitandremana Izy, mba hamahana ny fandrenohana izay namatotra ny fanahy ho andevon’ny fahotana. Mitalaho ny olona Izy mba hiala amin’ny fitiavan’izy ireo adaladala. Asehony eo imason’izy ireo ilay tontolo mendrika kokoa, dia hoy Izy hoe: “Aza mihary harena ho anareo etý an-tany”. — Mat. 6:19.TF 149.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents