Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ireo Fakam-Panahy Misoko Mangina

    Hitan’i Kristy ny loza manandindona; fantany ireo fakam-panahy misoko mangina sy ny herin’ilay fahavalo; satria nandalo ny fakam-panahy avy tamin’i Satana Izy. Natolony ny ainy mba hanomezana fotoam-pahasoavana ho an’ireo zanaka lahy sy zanaka vavin’i Adama. Ao anatin’ny vokatry ny tsy fankatoavana sy ny fandikan-dalàna nataon’i Adama eo anoloan’izy ireo, sy ao anatin’ny fahazavana betsaka kokoa mamirapiratra eo aminy, no anasana azy ireo hanatona Azy ka hahita fitsaharana ho an’ny fanahiny. Fa arakaraka ny maha-betsaka ny fahazavana sy mampahazava ny famantarana ny loza manandindona, no maha-lehibe koa ny fanamelohana ireo izay miala amin’ny fahazavana ka hiverina ho amin’ny maizina. Tena hentitra ny tenin’i Kristy ho azy ireo ka tsy azo hamaivanina.TF 149.3

    Toa voahetsiky ny faniriana adala ny hahazo harena eto an-tany ny olona. Atao daholo izao karazana tsy fahatokiana rehetra izao mba hanangonana harena. Mikatsaka amin- kafanam-po fatratra ny fahombiazan’ny raharahany ny olombelona, tahaka ny hoe antoka ny hahazoana ny lanitra ny fahombiazana eo amin’io laharana io. Atambany amin’ny fananan’izao tontolo izao ny petra-bola nankinin’Andriamanitra taminy, ka tsy misy vola hoentina mampandroso ny fanjakan’Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny fanamaivanana ny fijaliana ara-tsaina sy ara-batana mianjady amin’ny mponin’izao tontolo izao. Maro amin’ireo izay milaza azy ho Kristianina no tsy mahatandrina ny baikon’i Kristy rehefa milaza Izy hoe: “Miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” — Mat. 6:20.TF 150.1

    Tsy hoteren’Andriamanitra hanao ny marina sy ho tia famindrampo ary hanaraka an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena ny olona; apetrany eo anoloan’ny olona ny tsara sy ny ratsy, ary asehony mazava tsara izay ho vokatra azo antoka avy amin’ny fanarahana ny zotra iray na ny zotra iray hafa. Manasa antsika i Kristy hoe: “Manaraha Ahy”. Tsy terena na oviana na oviana hanaraka ny dian-tongony anefa isika. Raha tena manaraka ny dian-tongony isika, dia vokatry ny safidintsika malalaka fotsiny ihany izany. Rehefa mahita ny fiainana sy ny toetran’i Kristy isika, dia hisy faniriana miredareda mifoha ao anatintsika, dia ny hanahaka ny toetrany; ary hiezaka ny hahalala ny Tompo isika. Rehefa izay dia hanomboka ho tsapantsika fa “ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.” - Ohab. 4:18 - RH, 31 Mar. 1896.TF 150.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents