Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fitahiana avy amin’ny Fahaiza-Mitantana

    Raha nibaiko ny mpianany i Kristy nanao hoe: “Mandehana any amin'izao tontolo izao hianareo; ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra” — Mar. 16:15, dia nampiandraiketiny ny olona ny asa fampielezana ny fahalalana ny fahasoavany. Raha mivoaka mba hitory teny anefa ny sasany, dia miantso ny sasany kosa Izy mba hamaly ny antsony amin’izy ireo ka hitondra fanatitra, izay hanohanana ny asany eto an-tany. Nametraka hoenti-manana teo am-pelatanan’ny olona Izy, mba hikoriana amin’ny alalan’ny fantsona olombelona ny fanomezany, ho fanatanterahana ny asa nampiandraiketina antsika eo amin’ny famonjena ireo olona namantsika. Io no iray amin’ireo fomba entin’Andriamanitra hanandratana ny olona. Io mihitsy no asa ilain’ny olona; satria hanetsika ny fangorahana lalina indrindra ao am-pony izany, ary hiantso ny fampiasana ny fahaizana ambony indrindra ananan’ny saina.TF 12.1

    Ny zava-tsoa rehetra eto an-tany dia napetraky ny tanan’Andriamanitra feno fiantrana teto ho fanehoana ny fitiavany ny olombelona. Azy ireo malahelo, ary Azy ihany koa ny fivavahana. An’ny Tompo avokoa ny volamena sy ny volafotsy; ary azony atao ny mampilatsaka azy ireny avy any an-danitra raha tiany izany. Tsy izany anefa fa nataony ho mpitantana ho Azy ny olombelona, ka nampiandraiketiny hoenti-manana, tsy hangonina anefa, fa hampiasaina ho fanasoavana ny hafa. Koa amin’izany dia ataony fantsona hizaràna ny fitahiany eto an-tany ny olona. Novolavolain’Andriamanitra ny rafitry ny fanaovan-tsoa mba hahatonga ny olona ho tahaka ny Mpamorona azy, malala-tanana sy tsy tia tena, ary farany ho mpiombona amin’i Kristy ny valim-pitia mandrakizay sy be voninahitra.TF 12.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents