Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 29 - Fomba Fahazoan-Karena

    Maro, na dia eo anivon’ireo Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito aza, no voatenin’ny Tenin’Andriamanitra mafy noho ny fomba nahazoany ny fananany sy nampiasany izany, raha nasehony fa tahaka ny azy izany, izy no namorona izany, ka tsy mba jereny ny voninahitr’Andriamanitra ary tsy mba mivavaka mafy izy ireo mba hahazo taridalana eo amin’ny fomba fahazoana na fampiasana izany. Mandray bibilava amim-pifaliana izy ireo, izay hanaikitra azy ireo tahaka ny menarana.TF 154.1

    Hoy Andriamanitra momba ny olony: “Ny varony sy ny tangy azony dia hohamasinina ho an'i Jehovah; Tsy hotehirizina na horaketina izany” — Isa. 23:18. Maro amin’ireo izay milaza azy ho mino ny fahamarinana anefa no manakana ny fidiran’Andriamanitra ao amin’ny eritreriny, dia tahaka izay nataon’ny olona talohan’ny safodrano na ireo Sôdômita ihany. Ny fifantohan’ny eritreritra ao anaty fahatsapan-tena feno eo ambany fanetsehan’ny Fanahy Masina, no handrava izany fitaka izany. Ny izaho, izaho, ary izaho hatrany no andriamanitr’izy ireo, io no alfa sy ny ômegany.TF 154.2

    Tsy ho afa-doza ny Kristianina raha tsy hoe mahazo ny volany araka izay itarihan’Andriamanitra azy sy mampiasa izany amin’ny fantsona azon’Andriamanitra tahina irery ihany izy. Avelan’Andriamanitra hampiasa ny fananany isika, saingy amim-pifantohana amin’ny voninahiny, mba hitahiana antsika mba hahafahantsika mitahy ny hafa koa. Ireo izay nandray ny fomba fijerin’izao tontolo izao, ka nahafoy ny toromarika manokana avy amin’ Andriamanitra, ary manangona izay rehetra azony angonina, na karama na tombontsoa, dia mahantra, tena mahantra indrindra, satria iharan’ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra izy ireo. Mandeha eo amin’ny lalana nofidin’izy ireo manokana izy ireo, ary tena manala baraka an’Andriamanitra, ny fahamarinana, ny fahatsarany, ny famindrampony, ary ny toetrany.TF 154.3

    Mandalo fitsapana sy fisedrana avokoa isika rehetra ankehitriny, mandritra ny androm-pahasoavana. Miasa miaraka amin’ny fampandriana adrisa sy ny kolikoliny mamitaka i Satana, ka maro no hieritreritra fa nahavita fiantoham-barotra mahatalanjona tamin’ny alalan’ny drafitra napetrany. Indro anefa raha mbola nieritreritra izy ireo fa nivoatra tamim-pilaminana sy nirehareha fatratra tao anatin’ny fitiavan-tena, dia takany fa azon’Andriamanitra atao ny manahaka haingana kokoa noho ny ahafahany mamory. -TM, tt. 335, 336.TF 155.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents