Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Soratra ao Anatin’ny Bokin’ny Lanitra

    Tsy tokony ho fitsipika harahin’ny Kristianina ireo fomba amam-panaon’izao tontolo izao. Tsy tokony haka tahaka ny fihoarana ny mety ataon’izy ireo, na ny fisolokiany na ny fakàny an-keriny izy. Fandikana ilay fitsipika volamena ny asa rehetra atao amin’ny tsy fahamarinana amin’ny namana. Mikasika ny tenan’i Kristy eo amin’ny olony masina ny fahavoazana rehetra atao amin’ny zanak’Andriamanitra. Ny fanandramana rehetra hanararaotana ny tsy fahalalana sy ny fahalemena, na ny tsy fananan’ny namana dia voasoratra ho toy ny fisolokiana ao amin’ny bokin’ny lanitra. Aleon’izay tena manana fahatahorana ny Tompo miasa andro aman’alina sy mihinana ny mofon’ny fahantrana, toy izay hanana fitiavan- karena tafahoatra amin’ny fampahoriana ny mpitondratena sy ny kamboty na hanambaka ny vahiny.TF 158.3

    Manomana ny fo ho amin’ny tsy fahamarinana faran’izay ratsy ny fihatahana kely foana amin’ny fahitsiana. Raha misy olona iray mihary harena amin’ny fahavoazan’ny hafa, dia tsy andairan’ny herin’ny Fanahy Masina ny fanahiny. Tena fatiantoka mahatsiravina ny tombom-barotra azo avy amin’ny fomba toy izany. — MM, t. 534.TF 159.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents