Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Fihetsika Feno Fahihirana sy Fitiavan-Tena

    Miantso ireo anadahiko ao amin’ny finoana aho, ka miangavy azy ireo mba hamboly fahamoram-po. Na inona na inona ny fiantsoana anareo na ny toerana misy anareo, raha mankamamy fitiavan-tena sy fitiavan-karena ianareo, dia hihatra aminareo ny fahatezeran’ny Tompo. Aza atao ho fialan-tsiny hanehoana fahihirana sy fitiavan-tena na amin’iza na amin’iza ny asan’Andriamanitra, na dia eo amin’ny raharaha mahakasika ny asany aza. Tsy hoeken’Andriamanitra hoentina ao amin’ny trano firaketany amin’ny alalan’ny fifanaraham- pandraharahana feno fitiavan-tena ny zavatra mifandraika amin’ny fahazoana tombontsoa. Tsy maintsy mitondra ny mariky ny fankasitrahan’Andriamanitra ny fihetsika tsirairay mifandraika amin’ny asany. Ny fifanaraham-pandraharahana feno hafetsena rehetra, ny fiezahana rehetra hanararaotra ny olona iray izay teren’ny zava-misy, ny drafitra rehetra ho fividianana ny taniny na ny fananany amin’ny vola latsaky ny tena vidiny, dia tsy ankasitrahan’Andriamanitra, na dia hatao fanatitra ho fampandrosoana ny asany aza ny vola ho azo. Nandoa ny saran’ny ain’ny olombelona tsirairay ny ran’ny Zanaka Lahitokan’Andriamanitra, ka ilaina ny mifanaraka amin’ny olona tsirairay amim-pahitsiana, tsy misy fiangarana, mba hanatanterahana ireo foto-kevitry ny lalàn’Andriamanitra (...)TF 160.1

    Raha misy anadahy niasa tamin’ny fony, tsy nitady tombony, ho an’ny asan’Andriamanitra, nefa lasa narefo ara-batana ka tsy afaka manao intsony ny asany, dia aoka izy tsy horoahina ka hoterena hiahy ny tenany araka izay tratrany. Omeo karama ampy hanohanana ny tenany izy; satria tsarovy fa anisan’ny ankohonan’Andriamanitra izy, ary mpirahalahy avokoa ianareo rehetra. - RH, 18 Des. 1894.TF 160.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents