Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ny Fandokadokafana Ataon’ny Olona

    Tena mitera-doza ho an’ny olona ny fanankinana talenta maro aminy na ny fandokadokafana azy. Ireo izay nandray tombontsoa manokana tamin’Andriamanitra dia tsy maintsy mitandrina mandrakariva mba tsy ho azon’ny fandriky ny avonavona. Na iza na iza manana mpanohana maro sy mahazo sitraka sesilany dia mila miambina fatratra sy mivavaka tsy tapaka mba hisorohana ny zava-doza ateraky ny fikolokoloana toetra feno avonavona ara-panahy sy fieritreretana fa rariny ho azy izany fanasohasoana sy fanindraindrana izany.TF 161.2

    Ny olona toy izany dia tsy tokony hanambony ny tenany ka haneho toetra manjakazaka. Aoka izy hanao ny asany amim-pahamalinana arahim-bavaka mafana ary tsy hitady afa-tsy ny hanome voninahitra an’Andriamanitra. Raha mifantoka mandrakariva amin’ny zavatra tsy hita maso sy miezaka mifaly amin’ny fanantenana manoloana azy izy, izay tsy inona akory fa ny fiainana mandrakizay dia tsy ho voatarika hanana toe-tsaina miavonavona velively ny fanahiny.TF 162.1

    Ny fahavalo dia manao ezaka manokana mihitsy isarihana izany olona izany ho lavon’ny fandokadokafana sy ny voninahitra atolotry ny olona.TF 162.2

    Andraikitry ny mpiray fanantenana aminy kosa ny mananatra azy sy mampitandrina azy ny amin’ireo loza aterak’ízany raha toa ka latsaka amin’ny fahatokian-tena izy satria amin’izay fotoana izay dia eo ambivitry ny fahotana izy ka mety haharesy azy ireo fahalemena malaky mahazo ny zanak’olombelona.TF 162.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents