Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Ao amin’ny Lohasahan’ny Fanetren-Tena

    Moramora kokoa amintsika ny mitondra siny tsy misy na inona na inona noho ny mitondra siny feno rano hatreny imolony. Marina fa mitarika ho amin’ny lafin-javatra ratsy maromaro sy ho amin’ny fahakiviana lalina ny fahoriana sy ny fahasahiranana kanefa ny firoboroboana dia mitera-doza ho an’ny fiainana ara-panahy. Raha tsy milefitra tanteraka eo ambanin’ny sitrapon’Andriamanitra ny olombelona dia hofohazin’ny fanambinana indray ny fironana voajanaharin’ny fizahozahoana ao aminy ary tsy azo lazaina fa nohamasinin’ny fahamarinana, sy manana finoana miasa amin’ny fitiavana sy finoana manadio ny fanahy mihitsy izy.TF 162.4

    Tokony hanandratra vavaka fanelanelanana ho an’ireo olona mitana andraikitra ambony mandrakariva isika. Tena mila ny vavaka asandratry ny fiangonana iray manontolo izy ireo noho ny fiainany ao anaty fahombiazana sy ny fananany fahefana.TF 163.1

    Ao amin’ny lohasahan’ny fanetren-tena, izay toerana tokana hiankinan’ny olona tanteraka amin’Andriamanitra hahafahany manovo fanabeazana sy handraisany fitarihana isaky ny indray mandingana ihany no misy fiarovana azo antoka ho an’ny olombelona.TF 163.2

    Aoka ireo izay manana fifandraisana velona amin’ Andriamanitra hivavaka ho an’ireo olona manana andraikitra ambony sy mipetraka amin’ny toerana avo satria mitaky fahendrena lalina izany toerana izany. Raha toa mantsy ka tsy mahatsapa ireny olona ireny fa mila miantehitra amin’ny sandry matanjaka kokoa noho ny sandrin’ny olombelona izy ireo, raha toa ka tsy miankina tanteraka amin’Andriamanitra izy ireo, dia hivaona ny fomba fijeriny ny zava-misy marina ary dia ho lavo izy ireo. - RH, 14 Des. 1905TF 163.3

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents