Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Tsy Afaka Mamonjy ny Mpandika Lalàna ny Hareny

    Na dia lehibe tahaka ny ahoana aza ny harena dia tsy afaka manarona na dia ny fahotana kely indrindra aza. Tsy misy afaka mamonjy ny mpanota, na ny harena na ny fahaizana. Ny fiaiken-keloka sy ny fanetren-tena marina ary ny fo torotoro sy mangorakoraka ihany no ahazoana ny famindrampon’Andriamanitra.TF 169.1

    Mambra maro eo anivon’ny fiangonantsika no tokony hitondra fanatitra betsaka fa tsy hionona fotsiny amin’izay voatsirambin’ny tanana ho setrin’izay efa nanao be ho azy. Mandray fitahiana tsy hita pesimpesenina izy ireny kanefa kely ihany no mba afoiny ho an’ ny Mpanome azy! Aoka ireo izay, raha ny tena marina dia, mpizaha sy mpivahiny eto amin’ity tany ity mba hihary harena any an-danitra dieny izao, amin’ny endrika fanomezana atolotra ho an’ny trano fitehirizan-karen’ny Tompo izay mila izany fatratra.TF 169.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents