Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Toko 2 - Ilay Mpanao Soa Feno Fiantrana Antsika

    Ny herin’Andriamanitra dia miseho eo amin’ny fitepon’ny fo, eo amin’ny fiasan’ny avokavoka, ary eo amin’ny riana velona izay mikoriana manerana ireo fantsona samy hafa an’arivony ao amin’ny vatana. Mpitrosa Aminy isika noho ny fotoana tsirairay ahavelomantsika, sy noho ny zava- tsoa rehetra azontsika eo amin’ny fiainana. Fanomezana avy amin’ny Mpahary ireo hery sy fahaiza-manao izay manandratra ny olombelona ho ambonin’ny voary ambany kokoa.TF 14.1

    Fenoiny fanambinan-tsoa avy Aminy isika. Mpitrosa Aminy isika noho ny sakafo hanintsika, ny rano sotrointsika, ny fitafiana anaovantsika, ny rivotra fohintsika. Raha tsy eo ny fitondrany manokana, dia ho feno aretina sy poizina ny rivotra. Mpanao soa sy mpiaro feno fiantrana Izy.TF 14.2

    Ny masoandro izay manazava ny tany, sy manome voninahitra ny voary rehetra, ny famirapiratana feno zava-miafina sy miezinezin’ny volana, ny voninahitry ny habakabaka, izay voaravaky ny kintana manjelanjelatra, ny ranonorana izay manamando ny tany sy mahatonga ny zava- maniry hitombo, ireo zavatra sarobidy eo amin’ny zavaboary amin’ny hareny maro isan-karazany, ireo hazo mijoalajoala, ireo zanakazo sy zavamaniry, ireo voa mihevaheva, ny lanitra mangamanga, ny tany maitsomaitso, ny fiovan’ny andro sy ny alina, ny fifandimbiasan’ny vaninandro, samy manambara amin’ny olombelona ny fitiavan’ny Mpamorona azy ireo rehetra ireo.TF 14.3

    Nampifandraisiny tamin’ny Tenany tamin’ny alalan’ireo famantarana eny an-danitra sy ety an-tany rehetra ireo isika. Miahy antsika amim-pahalemem-panahy mihoatra noho ny fiahian’ny reny ny zanany ory Izy. “Tahaka ny fiantran'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehovah izay matabotra Azy” — Sal. 103:13. - RH, 18 Sept. 1888.TF 15.1

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents