Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Voaovan’ny Fitiavana

    Mandroaka ny fitiavan-karena ny fahamarinana tondrahan’ny fanahy ao am-po. Tsy afaka miara-mipetraka ao am-po ny fitiavana an’i Kristy sy ny fitiavam-bola. Manoatra lavitra noho ny firiavam-bola mantsy ny fitiavana an’Andriamanitra ka izay manana azy dia hamindra ny fitiavany rehetra ho eo amin’Andriamanitra. Ny fitiavana no hery manosika azy hamaly ny antson’ireo izay mila fanampiana sy hiasa ho an’Andriamanitra. Ny fifaliany feno indrindra dia ny hampiasa tsara araka ny tokony ho izy ny fananan’Andriamanitra. Tsapany fa tsy misy azy tokoa izay eo am-pelatanany ary manatanteraka amim-pahatokiana ny asa amin’ny maha-mpitantam-pananana azy izy. Noho izany dia afaka manandrana ny didy roa lehibe izy: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny fanahinao rehetra” - Deo. 6:5, ary “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao ” - Lev. 19:18.TF 173.2

    Amin’ny alalan’ity fomba ity dia mety ho azon’ny mpanan-karena atao tsara mihitsy ny ho tafiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, “ary izay rehetra efa nahafoy trano na rahalahy na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny Anarako dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay” — Mat. 19:29. Indro ny valisoan’izay mahafoy ny ainy ho an’Andriamanitra: mandray tsy an-kijanona izy etỳ amin’ity fiainana ity ary handova ilay fiainana mandrakizay izy amin’ny hoavy. - RH, 16 Sept. 1884.TF 174.1

    Raha toa ka manatanteraka amim-pahatokiana ny adidiny ny mpitantana ny fananan’Andriamanitra dia tsy ahiana hamandrika azy ny fitomboan’ny harenany satria hampiasainy amin’ny fahendrena sy amin’ny fahalalahan- tanana Kristianina ireny. - RH, 16 May 1882.TF 174.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents