Loading...
Larger font
Smaller font
Copy
Print
Contents
Torolalana Ho Amin'ny Fahaiza-Mitantana - Contents
  • Results
  • Related
  • Featured
No results found for: "".
  • Weighted Relevancy
  • Content Sequence
  • Relevancy
  • Earliest First
  • Latest First
    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents

    Mifamatotra amin’ny Alalan’ny Kofehin’ny Fangoraham-Po

    Fikasan’Andriamanitra ny hampifamatotra akaiky ny malahelo sy ny mpanan-karena amin’ny alalan’ny kofehin’ny fangoraham-po sy ny fifanampiana. Manana drafitra ho an’ny isam-batan’olona amintsika Izy. Nanomana anjara asa ho an’ireo rehetra izay te hanompo Azy Izy. Mibaiko antsika Izy mba ho liana amin’ny fijaliana na ny filàna tsirairay hampahafantarina antsika.TF 177.3

    Nanan-karena tokoa ny Tompontsika, saingy tonga mahantra Izy noho ny amintsika, mba hampanan- karena antsika ny fahantrany. Mandidy ireo rehetra izay nanankinany fitahiana eto an-tany Izy mba hanaraka ny ohatra nomeny. Hoy i Jesôsy: “Ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana no oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo. ” — Mar. 14:7. Miantso ny fìtserantsika sy ny fangoraham-pontsika mandrakariva ny filàna sy ny fahantrana misy eto amin’izao tontolo izao, ary nanambara mihitsy ny Mpamonjy fa ny asa ho an’ireo ory sy mijaly no fanompoana ankasitrahany indrindra. Hoy Izy: “Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an'ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin'ny namanao hianao?” — Isa. 58:7. Tokony hiasa ho an’ireo marary isika, hamahana ireo noana, hampitafy ireo izay mitanjaka, ary hampianatra ireo izay tsy manam-pahalalana.TF 178.1

    Betsaka no mitaraina amin’Andriamanitra satria feno fahantrana sy fahoriana izao tontolo izao. Fa ny Tompo dia Andriamanitry ny fanaovan-tsoa, ka amin’ny alalan’ireo solontenany izay nanankinany ny fananany no hanomezana fahafaham-po ny zavatra ilain’ireo voariny. Nanomana tahiry betsaka mifanaraka amin’ny filàn’ny rehetra Izy, ary raha toa ka tsy nohararaotin’ny olona ny fanomezany ka tsy nofihinin’izy ireo tamim-pitiavan-tena fa nanomezany an’ireo mpiara-belona aminy, dia tsy hisy olona hijaly noho ny tsy fahampiana. - RH, 20 Jona 1893.TF 178.2

    Larger font
    Smaller font
    Copy
    Print
    Contents